Mois : mai 2023

Vondrona Eoropeanina : hanohana ny Malagasy mpandraharaha

Mbola anatin’ny herinandron’i Eoropa isika. Maro karazana ny hetsika hanama­rihana ity fankalazana ity. Omaly, nisy ny atrikasa natao, teny Ankorondrano, nihao­nan’ny Vondrona Eoropeani­na tamin’ireo sehatra tsy miankina. “Mikasa hanohana ny Malagasy mpandraharaha amin’ny fidirana eo amin’ny tsena eoropeana ny Vondrona Eoropeanana”, hoy ny fanazavan’ny masoivohony eto Madagasikara, Isabelle De­lattre. Misy […]

Betongolo : vehivavy nendahin’ny jiolahy tao anaty taxi-be

Mitsikombakomba amin’ ny resevera! Vehivavy iray nendahin’ny jiolahy tao anaty taxi-be teny Betongolo, oma­ly. Niditra toy ireny mpandeha ireny ny jiolahy roa niaraka tamin’ny antsy. Araka ny fanazavan’ilay niharam-boi­na, teo akaikin’ny chapelle militaire Betongolo, omaly tamin’ny 9 ora sy 30 mn no nitranga ity fanendahana ity. Jiolahy roa nitondra antsy […]

Zokiolona ao Maroantsetra : tsy manaiky hamindrana ny filohan’ny fitsarana

Miely ny feo any Maroan­tsetra fa hafindra toeran-kafa ny filohan’ny mpitsara any an-toerana ary haverina hitantana kosa ny mpitsara tranainy teo aloha. Tsy mahafa-po ny vahoaka any an-toerana anefa ny fomba fiasan’io mpitsara teo aloha, kasain’ny fanjakana haverina io. Nanao fanambarana ho an’ny ministry ny Fitsarana noho izany ireo fikambanan’ […]

Minisiteran’ny Mponina : manohana ny lehilahy handray andraikitra

Mirongatra ny herisetra noho ny olana ara-tsosialy isan-karazany. Anisan’ny mitondra ny anjara birikiny hoenti-miady amin’izany ny minisiteran’ny Mponina amin’ny fanohanana ny raim-pianakaviana. Miditra an-tsehatra amin’ny ady atao amin’ny herisetra vokatry ny olana sosialy isan-karazany ny minisiteran’ny Mponina, tarihin’ny minisitra Soafilira Princia. Ankoatra ny fizarana ny vatsin’ankohonana isam-paritra, miditra amin’ ny […]

Fampiasam-bola : mahazo fanasana handinika lalàna ny GEM

Nihaona sy niresaka tamin’ ny mpanao gazety tetsy amin’ ny foibeny, etsy Ambohijatovo, ny GEM (Groupement des entreprises de Madagascar), omaly. Voaresaka tao ny famolavolana ny lalàna mikasika ny fampiasam-bola izay nodinihina eo anivon’ny Ante­ni­mi­erampirenena. Nahazo fanasana hakana hevitra mahakasika izany ny eo anivon’ny GEM raha nanontaniana. «Faly sahirana izahay ma­no­loana ny […]