Mois : mai 2023

Tsarasaotra-Antsofinondry: mikojakoja ny lalana pavé ireo kaominina manodidina

Ifarimbonan’ny kaominina 4 ny fikojakojana ny lalana eny Tsarasaotra-Antsofinondry. Manatanteraka izany izy ireo ankehitriny. Saropiaro amin’iny lalana iny ihany koa ny kaominina ka ho hentitra amin’ny fanasaziana ireo minia manimba izany. Taorian’ny fidinan’ny governoran’Analamanga teny amin’ny lalana pavé mampitohy an’i Tsara­saotra sy Antsofinondry dia midina nanatanteraka ny fi­kojakojana iny lalana […]

Masoivohon’i Grande Bretagne: nomarihina ny fanosorana ny mpanjaka Charles III

Nomarihina teny amin’ny Park Alarobia, omaly alina, ny fanosorana ny mpanjaka Charles III. Niara-nanamarika izany ary tonga marobe ireo solontenam-panjakana sy ireo avy amin’ny masoivoho vahiny ary ireo mpanao politika eto amintsika. Samy niarahaba sy nirary soa amin’izao tantara manamarika an-dry zareo Britanika izao ireo rehetra nasaina tamin’izany. Tsiahivina fa […]

Fivorian’ny Antenimiera: Banga ny seza eny Tsimbazaza

Miverina indray ny vangabao ataon’ireo depiote amin’izao fivoriana ara-potoana eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza izao. Banga ny ankamaroan’ireo seza, hatramin’ny nanombohan’izany fotoam-pivoriana, herinandro lasa izay. Tsy nihoatra ny 30 amin’ireo depiote miisa 151 izao ireo nandany ny lahadinika, natao ny herinandro teo iny. Tsy nisy ny taratasy ara-dalàna maneho ny fialantsiny […]

CUA sy ny boriborintany: hohamafisina ny fahaiza-manao

Notanterahina ny 9 sy 10 mey teo, tetsy amin’ny trano fivorian’ny biraon’ny Kaomi­nina Antananarivo Renivo­hitra, ny atrikasa momba ny drafitra fanamafisana fahaiza-manao « Plan de renforcement de capacité ». Iarahana amin’ireo eny anivon’ny boriborintany enina izany. Miisa 11 ireo drafitra no­dinihina nandritra ny roa andro ho an’ireo fitaleavana dimy ao […]

KMF/Cnoe: “Tsy ho zakan’ny firenena intsony ny tetezamita”

Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Anisan’izany ny momba ny tetezamita sy ny mpirotsaka hofidina ho filoham-pirenena. “Tsy mahasoa ny firenena ny tetezamita, fa ny fifandimbiasam-pahefana demokratika ihany. Tsy hitanay ny antony tsy hidirana amin’izay fifandimbiasam-pahefana demokratika izay”, hoy ny eo anivon’ny KMF/Cnoe Fana­beazana olom-pirenena, notarihin’ny […]