Mois : mai 2023

Ivokolo Analakely : hanjaka ny hatsikana ranofotsiny

Andro iraisam-pirenena ho an’ny hehy ny alahady 7 mey lasa teo. Ny sabotsy 13 mey izao kosa no hanamarika izany ireo mpanao hatsikana ampolony, etsy amin’ny Ivo­kolo Analakely. Fampisehoa­na hatsikana ranofotsiny, man­dritra ny ora maromaro ary maimaimpoana no homanin’izy ireo amin’izany. Hi­tarika ireo tanora mpanao ha­tsikana ireo efa fanta-daza toa […]

Cinem’alliance : nizara ny fahaiza-manaony Andrianambonisoa Yannick

Tombony ho an’ny rehetra ny hetsika fifampizarana sahala amin’izao, araka ny nambaran’i Yannick Andriambonisoa. “Ilaina hatrany ny mivelatra amin’ny manodidina mba hahazoana traikefa sy fahaiza-manao vaovao”, hoy ity tanora malagasy mpanatontosa ity. Nitafa sy nizara traikefa sy fahaiza-manao ta­min’ny tanora maro, niatrika ny atrikasa “Firafitry ny sary” Andrianambonisoa Yannick, omaly. […]

SEHA-PIHARIANA trondro : mampiroborobo ny fidiram-bola

Manana ho avy mamiratra ny fihariana anaty rano. Sahirana ny lafiny jono noho ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fanjonoana miompampana, hoy ny FAO. “Antony mahatonga antsika mirona amin’ny fiompiana trondro. Natao izany mba hahafahantsika mamorona asa sy mampiakatra ny fampidiram-bola isan-tokantrano”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena […]

Ladoany : eto amintsika ny SG an’ny OMD

Tonga eto Madagasikara, ny talata 5 mey teo, i Kunio Mikuriya, sekretera jeneraly (SG) ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny haban-tseranana (OMD). Mi­fanandrify amin’izao fahatongavany izao ny fikaonandoha iraisam-pirenena mikasika ny ladoany, andiany faha-37 ny 8-10 mey izao, ny fivorian’ny filankevitry ny governora ny 11-13 mey, samy atao eto Antananarivo avokoa. […]

CCIFM-ADIM : hamafisina ny fifanakalozana ara-barotra

Hanatsara ny lafiny toekarena sy ny fiainan’ny mponina andavanandro atsy amin’ny Nosy Mayotte sy eto Madagasikara. Ireo ny napetraka amin’ny fiaraha-miasan’ny Chambre de commerce et de l’industrie France Madagascar (CCIFM) sy ny Agence de développement et d’innovation de Mayotte (ADIM). Natao, omaly, teny Androhibe ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Tanjona […]