Mois : mai 2023

Fikarakarana fifidianana : hisy fitsirihana farany ny lisitry ny mpifidy

“Mbola hisy ihany ny fa­ha­zoana manao fanamarinana faharoa aorian’ny 31 mey ho an’izay vao nisoratra anarana vaovao taty aoriana. Izay ilay hoe fitsirihana faharoa. Saingy fohifohy ihany ny fe-potoana hahazoana manao izay.” Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, ny amin’ny famaranana ny fanamarinana ny lisitry ny mpifidy vonjimaika, arakaraka […]

Depiote Rakotondrasoa Fetra : “Esorina ireo tsy manaraka fepetra”

“Anisan’ny solombavambahoaka tohina aho manoloana ny fanambarana toy ireny. Miantso ny solombavambaho­aka maro anisa namako eo anivon’ny Antenimierampirenena aho hanao ny dingana hanalana an’ireo solombavambahoaka tsy manaraka ny fepetra sy ny lalàm-pitondran-tena mba tsy ho anisan’ny solombavambahoaka intsony.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Miari­na­rivo, tamin’ny anaran’ny IRD, Rakotondrasoa […]

Lalatiana Rakotondrazafy : “Tsy mihevitra hametraka Tetezamita ny fanjakana”

Mazava ny fanambaran’ny mpitondra tenin’ny governemanta sady minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina (MKS), Lalatiana Rakotondrazafy. “Tsy mihevitra fitondrana tetezamita izany ny fitondram-panjakana”, hoy izy. “Tsy mihevitra ny hametraka Tetezamita ny fitondrana ankehitriny. Tsy marina avokoa ny resabe tato ho ato”, hoy izy. Nohamafisiny fa tsy mitombina ny filazana ny […]

Tandindonin-doza !

Mizotra mankaiza ary ity firenena ity? Mahavalalanina ny fivoaran’ny fiarahamonina. Mijininika hatrany ny ra na an-drenivotra na any ambanivolo. Samy manampatra ny heriny avokoa izay manana ny hery na mahita hirika hanaovana izany. Mahoraka ny fitsaram-bahoaka manerana ny Nosy. Manao izay danin’ny kibony mihitsy ny fokonolona, raha vao mahita fomba […]

Nivadika ho milisy: zazafotsy sivy voatifitra, takalon’aina ny miaramila

Nivadika ho milisy ! Nihantsy mpitandro filaminana ny « Zazafotsy ». Nandratra zandary, nanao takalon’aina miaramila, nandroba basy. Raikitra ny fifandonana, sivy no maty. Nirefodrefotra ny basy sy ny grenady, omaly, tany Anjiajia, distri­kan’Ambatoboeny. Raikitra ny fifandonana teo amin’ny andrimasom-pokolona “Zaza­fotsy”, izay nivadika ho milisy mitam-piadiana, sy ny mpitandro filaminana. Vokany hatramin’ny ora […]