Hanatanteraka fampisehoana ho an’ny eto Antananarivo, ny takarivan’ny zoma 12 mey 2023, ao amin’ny Le Zoma Antaninandro, i Mami Bastah. Seho miavaka, hikaloany ireo hira nahafantarana azy hatramin’izay, miaraka amin’ny zavamaneno fitendriny no hasehony amin’ io fotoana io. “Mpanakanto efa tsy zoviana amin’ny maro intsony no hiaka-tsehatra amin’io fotoana io […]
Mois : mai 2023
« Volana iray, mpanoratra iray » : hampahafantarina ny sanganasan’i Perle Rasoloarijao
Maro tsy tambo hisaina raha ireo mpanoratra, poeta, mpankafy ny literatiora malagasy. Misy ireo efa fanta-daza, tamin’ny vanim-potoana taloha na ireo ankehitriny. Betsaka toy izany koa anefa ireo takontakona any, miaraka amin’ny sanganasany. Sehatra natao hampahafantarana ireo rehetra ireo, na ny mpanoratra na ny sanganasany ny tetikasa “Volana iray, mpanoratra […]
Herinandron’i Eoropa : hisy hetsika ara- javakanto eo Analakely
Nanomboka omaly, notarafin’ny jiro maka ny lokon’ ny Vondrona Eoropeanina ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo, etsy Analakely. Nentina nanamarihana ny “Andron’i Eoropa”, izay mitohy ho “Herinandron’ i Eoropa” izany. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny lafiny zavakanto, ka anisan’izany ny hetsika izay hotontosaina eo amin’ ny tokotanin’ny Lapan’ny Tanàna, rahampitso 11 mey. Hisy […]
Hatsikana “Stand up” : hanao seho tokana ho an’ny Malagasy i Fary Lopes
Tafiditra ao anatin’ny firenena hanaovan’i Fary Lopes fampisehoana, amin’ity taona ity, i Madagasikara. Anisan’ny sangany eo amin’izany sehatra misy azy izany ity mpanao hatsikana ity, ary ao anatin’ny fitetezana firenena maro amin’izao fotoana izao. Hotanterahina ny 21 mey 2023, eny amin’ny Novotel Alarobia, ny hetsika iarahana amin’i Fary Lopes, mpanao […]
Fifidianana : vonona hanampy ny UE
Ny fepetran’ny Vondrona eoropeanina (UE): arakaraka ny vola eo an-tanan’ny fiombonambe iraisam-pirenena no hahazoany mandray anjara amin’ ny fanampiana. Izay ny nambaran’ny ambasadaorony, i Isabelle Delattre, tamin’ny fanombohana ny herinandron’ny Vondrona eoropeanina teny Ankorondrano, afakomaly. Vonona hanampy ry zareo amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Hihena anefa ny fanampiana. Tsy toy ny […]




