Hotanterahina anio, ny lalao manasa-dalana mandroso amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa « ligue des Champions ». Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny Real Madrid, espaniola sy ny Manchester City, Anglisy. Fihaonana hotontosaina ao amin’ny kianjan’ny Santiago Bernabeu. Hanala vela ny anglisy, ny Real Madrid no nanapaka ny nofin’izy ireo teo amin’ny […]
Mois : mai 2023
Prize money Chan 2022 : 250 000 dolara, nomena ny Barea
Taorian’ilay fitakiana nataon’ireo mpilalao Barea chan sy ny staff, mahakasika ny tambin-karaman’izy ireo, dia nakarin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ho 50% ny vola homena azy ireo , noho ny zava-bitany nandritra ny Chan Algerie 2022. Lelavola 250 000 dolara na 1 100 000 000 Ar, izay antsasak’ilay 500 000 dolara na 2 200 000 000 […]
Havatsa-Upem : nankalazaina ny faha-110 taonan’i Regis Rajemisa
Notanterahina teny amin’ny Panorama Andrainarivo, ny fankalazana ny faha-110 taonan’i Regis Rajemisa Raolison. Ny fikambanan’ny mpanoratra sy poeta malagasy, Havatsa-Upem no nikarakara ny hetsika, niaraka tamin’ny fianakaviana sy ny taranak’ity mpanoratra ity. Nandritra ity fankalazana ity. Nisy ihany koa ny famoahana boky mirakitra ny amboara tononkalo nataon’ny mpanoratra ankehitriny nentina […]
Tarika Soa: hanao seho tokana eto Madagasikara i Ludy Soa sy Nathan
Mirehareha amin’ny maha malagasy tokoa raha i Ludy Soa sy Nathan. Hitohy hatrany ny fanandratana ny haikanto Malagasy. Eo ihany koa ny fanomezana fahafaham-po ny mpankafy, indrindra ny eto Madagasikara. Hanatanteraka fampisehoana lehibe eto Madagasikara i LudySoa sy Nathan, ny Sabotsy 20 mey 2023, ao amin’ny CCEsca Antanimena. Hetsika lehibe […]
Pr Manantsoa Victor : Tompon’antoka amin’ny fampandrosoana ny Malagasy
«Tsy mandroso mihitsy i Madagasikara raha tsy ny Malagasy iray manontolo no miara-mandray anjara amin’ny fampandrosoana», hoy ny minisitra teo aloha, Pr Manantsoa Victor, raha nanontaniana tetsy Mahamasina, omaly. Tokony hanana politika sy paikady hampandraisan’andraikitra ny vahoaka ny fitondram-panjakana. Miainga amin’ny alalan’ny fifidianana sy fandraisana anjara amin’ny raharaha maro eto […]




