Ataon’ny olona fanariana fako sy maloto ny lakandrano eny Anosibe. Nandray andraikitra hanadio izany ny eo anivon’ny fokontany Anosibe Mandrangobato I, nanomboka omaly. Nodiovina, nanomboka omaly, ny lakandrano eny amin’ny arabe ao anatin’ny fokontany Anosibe Mandrangobato I. Diovina avokoa ny lakandrano eo anelanelan’ny Villa Tahirisoa hatreny amin’ny lakandrano Andranolava. Maharitra […]
Mois : mai 2023
Ozinina mpanodina tantely : mahazo vokatra 100 t isan-taona
Anatin’ny politikam-pirenena ny fametrahana ozinina 75 manerana ny Nosy. Ankehitriny, nahazo ny anjarany ny ao Manakara. Tafapetraka ny ozinina fanodidina tantely any an-toerana. Mahatratra 100 t isan-taona ny vokatra azo avy amin’ireo kaominina samihafa ao anatin’ity distrika ity. Hisy fiantraikany mivaingana amin’ny lafiny sosialy sy toekaren’ny mponina ny fahazoana ny […]
Fitaterana entana : Goragora ny fanaraha-mason’ny APMF
Misy tandrevaka ny fidirana sy fivoahan’ny entana ao Toamasina. Ny 18 avrily teo, nilaza ny ny zandarimariam-pirenena ao Atsinanana fa misy moto halatra tafavoaka avy ao an-toerana, nentina sambo hihazo an’i Taolagnaro. Taorian’izay, nanambara ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Jly Serge Gellé fa lasa varavarana hivoahan’ny entana halatra avy […]
Vidim-piainana: tsy mitsaha-miakatra ny vidin’ny atody
Anisan’ny vokatra tsy nahitana fiakarany firy ny atody na teo aza ny sondro-bidim-piainana samihafa. Tato ho ato, miakatra tsikelikely izany ary efa misy tafakatra 650Ar. Tao anatin’ny andro vitsy, tsy nitsaha-niakatra ny vidin’ny atody eny amin’ny tsenakely rehetra. Tsikaritra ihany koa izany eny amin’ireo mpamongady, etsy amin’ny tsenan’ny tantsaha Antohomadinika. Taloha raha […]
Toamasina : hamboarina ny lalana Ankirihiry
Nijery ifotony ny fahapotehan’ny lalana eo Ankirihiry mankany amin’ny prefktiora Morarano Toamasina, ny filoha lefitry ny antenimierampirenena, ny depiote Naharimamy Irmah sy ny governora Atsinanana, Rafidison Richard. Nilaza Rtoa depiote, fa hanomboka amin’ny tapaky ny jona ho avy izao ny fanamboarana ity lalana ity. Vola mitentina 250 tapitrisa Ar avy […]




