Mois : mai 2023

Belaoko Lokoho: tratra ireo mpifankatia namono olona

Voasambotry ny polisy avy ao Andapa ny mpifankatia voarohirohy tamin’ilay raharaha vonoan’ olona tao Andapa, ny sabotsy maraina teo. Naharay vaovao ny polisy fa nisy vono olona tao amin’ny fokontany Ambahakarabo kaominina ambanivohitr’i Belaoko Lo­koho distrikan’Andapa, ta­min’io fotoana io. Nidina tao an-toerana ny polisy nanao ny fizahana ny razana sady […]

Herinandron’ny paramédicaux : misy ny tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka

Nomarihina ny 5 mey lasa teo ny Andro maneran-tany ho an’ny mpitsabo mpanampy, nifanindran-dalana tamin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny rasazy. Nizara fitaovam-piarovana ho an’ny mpitsabo mpanampy rehetra miasa ao amin’ny CSB Isotry Central ny fikambanan’ny paramédicaux eto Madagasikara (APM) satria zava-dehibe ny fiarovantena eo am-perinasa. «Mandritra ity herinandro […]

Croix Rouge Malagasy : nankalaza ny faha-60 taonany

Nomarihina, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Croix Rouge sy ny Croissant Rouge. Nifanindran-dalana tamin’ny fankalazana ny faha-60 tao­nan’ny Croix Rouge Mala­gasy (CRM) izany. Marolafy ny hetsika nentina nanamarihana izany. Nisy ny fanomezan-dra maimaimpoana sy fizarana sakafo ho an’ireo tsy manan-kialofana sy mpatory an-tsena. Fotoana […]

Oniversiten’i Barikadimy : mandrahona ny PAT, masiaka ny Seces

Taorian’ny fitokonana faobe nataon’ny mpiasa “PAT” (Personnel administratif et technique de l’université de Toamasina) ny talata, alarobia ary ny zoma, somary nisinda kely izany noho ny fifampiresahana tamin’ny prefet Toa­masina, Ambinintsoa Jean José sy ny filohan’ny oniversite, ny dokotera Razana­kolona Diny ary ireo solontenan’ny mpiasa mitokona. Hisy solontena alefa hiakatra […]