Mois : mai 2023

KMF/Cnoe : “Mila fakan-kevitra ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana”

Hatramin’izao, mbola re­saka tsy vita na mahabe adihevitra ny amin’ny lalàm-pifidianana? “Inona no tian’ny mpanoratra hahatongavana?”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, ny amin’ny hoe fandinihan’ny governemanta ny amin’ny volavolan-dalàna momba ny lalàna fehizoro lah. 002-2023/PL izay manitsy sy mameno ny fepetra sasany ao […]

Bianco – Toamasina: ben’ny tanàna roa teo aloha nohadihadiana

Nanao ranolava, mivoaka miditra ny biraon’ny Bianco, tao anatin’ny telo herinandro izao, ireo mpiasa maromaro eo anivon’ny kaominina Toa­masina. Anton’izany ny fanahiana ny firongatry ny kolikoly sy ny fanaovana hosoka ao amin’ny fiadidiana ny Tanàna. Anisan’ny efa voaantso teny anivon’ ity sampandraharaha mahaleotena misahana ny ady amin’ny kolikoly ity ny […]

Fivoriana eny Tsimbazaza : nahanjahanjan’ny depiote ny tatitr’ireo minisitra

Tsy fifanomezan-kasina sy lonilony mbola mitoetra ? Vitsy ny depiote manatrika ny tatitr’ireo minisitra isan-tokony, mifandimby eny amin’ny Antenimiera, Tsimbazaza. Tsy hita popoka hatramin’ny mpanohana ny fitondrana. Miisa 4, 10, 18 na mihoatra kely ireo depiote hany manaraka ny tatitra ataon’ireo minisitra, nanomboka, afakomaly. Miisa 48 ireo betsaka indrindra tamin’ny […]

Jly Rakotoarijaona Josoa : “Taninketsan’ny Foloalindahy ny Semipi”

Miavaka raha samy sekoly fanofanana miaramila ny sekoly miaramilam-pirenena na Semipi izay nankalaza ny faha-100 taonany tao Be­ra­vina – Fianarantsoa, omaly. Taninketsan’ny foloalindahy malagasy ny sekoly, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, Jly Rako­to­arijaona Josoa. Tsy fanofanana fotsiny. “Mamolavola olom-pirenena vanona eo amin’ny fomba fisainana ha­tramin’ny fitondrantena”, hoy izy. Notoloran’ny […]

Tora-bato avy any an-danitra

Tratry ny tampoka, tsy nahalehilahy ny mponina teto Antananarivo sy ny manodidina, omaly atoandro.  Lanitra mazava, masoandro miposaka nosembantsembanan-drahona madinika nanamarika ny volon’andro ririnina. Tsy rony tsy ventiny, nirotsaka tampoka ny orana natevintevina, namorona fitohanan’ny fiarakodia teto ampovoan-tanàna. Nivadika ho kotro-baratra tsy ankijanona mandrak’alina. Nampiitatra ny fahatapahan-jiro lavareny na ny […]