Nanomboka, omaly, atsy Afrika Atsimo ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito, eo amin’ny taranja handball sokajy zandriny U17 sy U19 vavy na ny « IHF Trophy ». Ratsy fanombohana ny Akio de Madagascar U17, teo amin’ny andro voalohany ho an’ny sokajy “A”. Resin’i Zambia, tamin’ny isa 41 no ho 32 ny […]
Mois : mai 2023
Madagasikara 30 – 10 Cameroun : manam-panantenana hiatrika Mondial indray ny XV Makis Ladies
Mbola azo lazaina fa mbola ao anatin’ireo ekipam-pirenena haka ny tapakila handraisana anjara amin’ny “World Cup” indray ny XV Makis Ladies. Resin’izy ireo tamin’ny isa 30 no ho 10 ny Lionan’i Cameroun. Mbola velombolo hiatrika ny “World Cup Rugby”, ny ekipam-pirenena malagasy XV Makis Ladies, amin’ity fifaninanana “Rugby Africa Women’s […]
Eto Madagasikara : manambady aloha loatra ny 40%-n’ny ankizivavy
Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Mponina, Rakotonirina Miarisoa Patricia, omaly, fa manambady alohan’ny faha-18 taonany ny 40%-n’ny ankizivavy malagasy. Efa mipetraka any amin’ny faritra Anôsy sy Androy ny fady na karazana dina amin’io fampanambadiana aloha loatra ny ankizivavy io. Hentitra ny amin’ny fanajana io fady io, araka izany, ny fiarahamonina satria […]
Antananarivo Renivohitra : nitsidika ny tsena Andrianjaka ny ben’ny Tanàna
Tonga nitsidika ny tsena Andrianjaka, eny Isotry, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, omaly. «Ahitana karazan’entana ilaina amin’ny andavanandro eny an-toerana”, hoy ny delegen’ny mpivarotra, Rakotonarivo Frédéric Désiré. Anisan’izany, ny mpivarotra lamba, hani-masaka, momba ny fahasalamana, vy, brocanteur, hazo, contreplaqué… Mampiavaka ny tsena eny ny fisian’ireo mpanamboatra sy mpanakalo entana […]
Manampy amin’ny fiverenana eny anivon’ny fiarahamonina : nohavaozina ny ivontoeran’ny fitsaboana ara-javakanto-CHU Anjanamasina
“Dingana ilaina amin’ny fitsaboana ny fahasalaman’ny saina ny fitsaboana ara-javakanto. Manampy betsaka ny olona avy nanaraka fitsaboana teny amin’ny CHU, misahana ny fahasalamana ara-tsaina, Anjanamasina, hiomana hiverina eny anivon’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina izany”, hoy ny talen’ny hopitaly CHU Anjanamasina, dokotera Rahanitrandrasana Esther Odile, omaly, teny an-toerana. Nohavaozina ny ivontoerana […]




