Mois : mai 2023

“Tournoi des 4 Nations” : hanazatra ny Barea U23 indray i Boualem Mankour

Taorian’ny fifanintsanana amin’ny fandraisana anjara ny Can U23, taranja baolina kitra, dia naverina ho mpanazatra ny Barea U23 i Boualem Mankour, teratany frantsay. Araka ny vaovao navoakan’ ny Union des footballeurs internationaux et Cadressportifs Malagasy (Uficasm), omaly, dia hanatanteraka fampivondronana voalohany ho an’ireo zandrikely, any Paris, izy ireo, ny volana Jona. Natao […]

Lalaon’ny Nosy andiany faha-11: nivoaka ny sary famantarana sy ny hira faneva

Ho raikitra ! Navoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny sary famantarana sy ny hira fanevan’ny lalaon’ny Nosy. Nanatrika izany ny avy amin’ny fitondrana malagasy sy ny avy amin’ny Vaomiera mpanara-maso ny fikarakarana. Nampahafantarina ofisialy, omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny sary fa­man­tarana sy ny hira fanevan’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, hatao […]

Tetikasa Lead : hanomezana kojakojan-jiro tsara sy manara-penitra

Miparitaka manerana ny tsena ny varotra jiro sy ny kojakoja mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Tsy an-tanàn-dehibe ihany, fa saika manerana ny Nosy. Tsy manara-penitra sy ratsy kalitao ny ankamaro­an’izy ireny, hany ka mora simba sady tsy mateza. Manoloana izany, misy ny tetikasa Lead*, iraisan’ny minisiteran’ny Angovo sy ny loharanon-karena stratejika […]

Tontolo ianana : nihena ny fanimbana ireo faritra arovana

“Nahitana fihenana ny fa­hapotehan’ny ala sy ny fanaovana tevy ala teto Mada­ga­si­kara nandritra ny valanaretina covid-19. Nitombo kosa izany tany amin’ireo faritra ivelan’ny faritra arovana”, hoy ny fanazavan’ireo tomponandraikitra avy amin’ny World Resources Institute (WRI), nandritra ny atrikasa nataony, teny Anta­ni­narenina, omaly. Nisy ny fanadihadiana niarahan’ny WRI sy ny Madagascar […]