Mois : mai 2023

Rajaonson Hugues : mila apetraka ny politikan’ny harena an-kibon’ny tany

Manampahaizana amin’ny toekarena sady efa nitazona andraikitra ambony, sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, ny Dr. Rajaonson Hugues. Anisan’ny navoitrany ny hampiroboroboana ity sehatra ity, ny hametrahana politikam-pirenena. Maro ny hevitra naro­son’ny Dr. Rajaonson Hugues hanatsarana ny sehatry ny harena an- kibon’ny tany eto Ma­da­ga­si­kara. Nomarihiny mikasika ny lalàna vaovao […]

Kitra – « Telma Coupe » : manomboka anio ny fifaninanana

Hotanterahina anio sy ra­hampitso ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara « Tel­ma Coupe 2023 », taranja baolina kitra. Araka ny vaovao voaray teny anivon’ny Federasiona malagasin’ny Baolina kitra (FMF), ny dingana voalohany na «1er tour préliminaire » no hatao mandritra ny roa andro. Miisa valo ny ekipa avy amin’ny li­gin’Analamanga, toy ny Le­muria Sport […]

Rugby vehivavy – “Women’s cup D1”: “Zava-dehibe ny fandresena an’i Kenya”, hoy i Berthin Zoto

Hifantoka etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka avokoa ny sain’ny besinimaro, indrindra fa ny mpankafy ny baolina lavalava, anio sabotsy. Hotanterahina eny an-toerana ny andro voalohany hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, lalaovina olona 15, sokajy vehivavy “Women’s cup D1”. Firenena efatra no hiady ho lohany. Anisan’izany ny Makis Ladies, […]

Cisco Maevatanana: mpianatra 70 iray kilasy tsy omena “convocation”

Velon-taraina ny ray aman-drenin’ny mpianatra 70 mianadahy ao amin’ny sekoly tsy miankina Les As, ao amin’ny Cisco Maeva­tanana, fari-piadidiam-pampianarana (Dren) Betsiboka. Hatramin’izao, tsy mbola nahazo ny taratasy fiantsoana hiatrehana ny fanadinana BEPC ny zanak’izy ireo. Ny sekoly rehetra ao amin’ny Cisco Maevatanana, na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, anefa […]