Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly ny kermesy lehibe iombonan’ny mpitandro ny filaminana, atao eny amin’ny kianjan’i betongolo. Haharitra 10 andro, nanomboka omaly ary hifarana ny 26 jona hoavy izao. Tanjona ny hisian’ny fiombonam-po eo amin’ny vahoaka malagasy mandritra ny fankalazana ny fitsingerenan’ ny fetin’ny fahaleovantena. Nambaran’ny ministry ny fiarovam-pirenena, jeneraly […]
Mois : juin 2023
Tetikasa Haraton’Aina ao Farafangana : manomboka miarindoha ireo fianakaviana marefo
Faritra lasibatry ny rivodoza matetika ny ao Atsimo Atsinanana. Marefo vokatr’izany ireo ankohonana ka hiasa amin’ny tetikasa fiahiana sosialy. Miarindoha tsikelikely ireo ankohonana tena tafalatsaka anaty fahantrana lalina teo aloha. Miezaka mitazona ny paikady nomena rehetra izy ireo hahaleo tena ara-pivelomana manomboka izao. Fotoan-dehibe ho an’ ny distrikan’i Farafangana, faritra […]
Havàtsa-Upem : miditra amin’ny andro fahatelo ny atrikasa
Tontosaina anio, eny amin’ ny foiben’ny Havàtsa Upem, Tahala Rarihasina Analakely, ny atrikasa famoronana tantara foronina. Ny fikambanan’ny Poeta sy ny mpanoratra Havàtsa-Upem no mikarakara ny hetsika. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny iray volan’ny teny malagasy. “Anisan’ny fantsona sy fitaovana entina manabe ny tantara foronina ankehitriny. Izany indrindra no tokony […]
« Programme de participation » : tetikasa dimy nahazo fanohanana avy amin’ny Unesco
Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa « Mise en oeuvre des projets soutenus par le programme de participation 2022-2023 de l’Unesco ». Nosoniavina, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena Anosy, ny fanomezana tohana ho an’ny tetikasa dimy misehatra eo amin’ny tontolo iandraiketan’ity sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina ity. Fantatra, araka ny […]
Lalaon’ny Frankôfônia : sokajin-kanto 8 no hifaninanan’ny Malagasy
Efa nivoaka ny lisitra. Taranja valo no handraisan’ny solontena malagasy anjara amin’ny sehatry ny zavakanto, mandritra ny Lalaon’ny Frankôfônia andiany faha-9. Hotontosaina any Kinshasa, renivohitry ny Repoblika Demokratikan’i Congo ny lalao, ny 28 jolay hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao. Azo lazaina fa manan-ko hantenaina i Madagasikara amin’ireo sokajy hira, […]




