Mois : juin 2023

Teatra manakaiky vahoaka : nahazo 12 tapitrisa Ar ho fampitaovana ny Tropy Jeannette

Sokajin-kanto miaina, mitohy ary tsy lefin’ny taona ny teatra. Misedra olana maro, saingy misy mpanohana sy mpankafy hatrany. Porofon’izany ny nahazoan’ny Tropy Jeannette fanohanana amin’ny tetikasan’izy ireo ato ho ato. 6 tapitrisa Ar mahery, avy amin’ny vondron’orinasa Andriantsitohaina sy ny Fondation Sodiat. Fanoha­nana hoan’ny Tropy Jean­nette, mba hanatanterahan’izy ireo ny […]

Pasitera Razafindramanitra Nestor : “Firosoana amin’ny fifidianana no vahaolana”

“Inona moa no krizy politika eto? Tsy Tetezamita no laharam-pahamehana, raha tena tia tanindrazana sy mijery ny vahoaka. Araho ny lamina araka ny lalàmpanorenana. Fotoana fohy sisa ny fe-potoam-piasan’ny mpitondra. Firosoana amin’ny fifidianana no vahaolana”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny IFI, ny pasitera Razafindrama­nitra Nestor. Raha mitady fahefana : […]

Fizakana zom-pirenena Frantsay : mangata-panazavana amin’ny filoha Rajoelina ny MMM

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Ma­la­gasy miara-miainga, omaly, manoloana ny fiparitahan’ny antontan-taratasy, manamarina ny fizakan’ny filohan’ ny Repoblika, ny zom-pirenena Frantsay. “Miantso am-panajana an’Andriamatoa Andry Rajoelina hitondra fanazavana feno izahay sa­tria voatohintohina ny fiandrianam-pirenena ary voafi­ta­ka tanteraka ny mpiray tanindrazana”, hoy ny fa­nam­­barana. Nanterin’ny MMM fa manaja ny fahafahan’ny […]

Filoha teo aloha, Rajaonarimampianina: “Tsy tomombana ny fanomanana ny fifidianana”

Anisan’ireo nandray ny iraky ny Frankofonia (OIF), i Micheline Calmy-Rey, mandalo eto amintsika ny avy amin’ny HVM, tarihin-dRajaonarimampianina Hery, tamin’ity herinandro ity, teny Andraharo. Nitondrany ny heviny tamin’izany ny momba ny fifidianana. “Iaraha-mahita ny le­so­ka sy ny tsy fahatomombanana amin’ ny fikarakarana ny fifidianana, tokony hotanterahina afaka volana vitsy”, hoy […]

Zotra an-dalamby FCE : niverina rehefa niato amam-bolana maro

Niverina nandeha, nanomboka ny alakamisy teo, ny zotra an-dalamby mpitatitr’ olona mampitohy an’i Fiana­ran­tsoa sy Manakara (FCE), rehefa niato nandritra ny volana maro. Niainga afakomaly maraina tao Fianarantsoa ny lamasinina, nitondra olona aman-jatony ka tonga soa aman-tsara tao Manakara, omaly. “Fahombiazana ny dia natao voalohany ka faly sy ravo izahay […]