Tetezamiitatra e ! Fifidianana e ! Tsy hita be ihany ny fivoaran’ny raharaham-pirenena ankehitriny. Ny vahoaka variana miady amin’ny fiainana, ry mpanao politika mitady ny fomba hahazoana fahefana misimisy kokoa. Ny mpanohitra sasany, mitady hirika mba hidirana anaty fitondrana, ny efa nahazo toerana sasany te hifikitra. Tsy mahagaga raha samy ahitana vondrona […]
Mois : juin 2023
Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy: “Misy matahotra ny haha kandidà ny filoha Rajoelina”
Nitondra fanazavana manoloana ny resabe tato ho ato ny mpitondra tenin’ny governemanta sady minisitry ny Serasera, i Lalatiana Rakotondrazafy, omaly. Nohazavainy ny momba ny fizakan’ny filoha Rajoelina ny zom-pirenena Frantsay. Nambarany fa voafandriky ny adihevitra diso isika ary tsy tokony hipetraka akory izany. ” Hanakanana ny filoha tsy ho kandidà […]
Fetin’ny Fahaleovantena : hatevenina ny fitandroana ny filaminana
Nivory ireo vondron-kery telo samihafa, mivondrona ao amin’ny Emmo manerana ny Nosy, omaly. Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny toby Ratsimandrava izy ireo nandritra izany. Nanaovanan’izy ireo tatitra mikasika ny fandaminana mandritra ny fetin’ny fahaleovantena hoavy izao. Teo koa ny fanaovana ny tomban’ezaka eo anivon’ireo EMMO-REG, EMMO-FAR manerana ny Nosy. […]
Very ny poketra : mpitondra taxi moto nivadika ho jiolahy
Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahenina (CSP6) Ambohimanarina, teny Antanety Ambohimanarina, afakomaly, ny lehilahy iray mpanao taxi-moto nivadika nanao asan-jiolahy. Vehivavy iray nandeha hiasa alina ka nahita taxi-moto iray no lasibatra tamin’izany. Fantatra fa ho any Ivandry ity vehivavy ity ka nanakana taxi-moto izy tamin’io fotoana io. […]
Raharaha « Doris sy Nambinina » : hivoaka ny 23 jona ho avy izao ny didim-pitsarana
Ny 23 jona 2023 ho avy izao no hivoaka ny didim-pitsarana momba ilay raharaha anenjehana an’i Doris, vadin’i Mahery Lanto Manandafy sy Nambinina Herimampianina, Gasy leo, voarohirohy noho ny fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana teny Analakely. Ho an’i Doris manokana, araka ny fanazavan’ny mpisolovava, tsy mitombina ny fiampangana azy ho nanao […]




