Naharitra roa andro ary nifarana afakomaly, teny amin’ ny Radisson Ambodivona, ny fivoriana “Panel adhoc cacao fin”. Fihaonana an-tampony niarahan’ireo manampahaizana 20 avy amin’ny firenena maneran-tany mamokatra cacao, nijerena ny kalitao tsara indrindra sy ny vokatra aondrana manerana an’izao tontolo izao. Nilaza ny minisitry ny Fampiroboroboana ny varotra sy ny […]
Mois : juin 2023
Salon ITM : mampiakatra 15% ny harinkarena faobe ny fizahantany
Fototra iorenan’ny fampandrosoana sy mampiroborobo ny toekarena ny fizahantany noho izy mampidi-bola. Tafiditra amin’izany ny “Salon International tourism fair Madagascar”, atao eny amin’ny CCI Ivato. Mitondra anjara biriky amin’ny fivelaran’ny fizahantany sy ny hoaviny ny hetsika “International tourism fair Madagascar” (ITM) andiany fahasivy. Fotoan-dehibe mampivondrona ireo mpisehatra maro na eto […]
Fetin’ny ray : sarotra ny mitady fanomezana
Homarihina amin’ny alahady izao ny fetin’ny raim-pianakaviana. Tsy dia maresaka toy ny fetin’ny reny fa mangingina na ny hetsika ara-barotra sy lanonana mahakasika izany aza. Sarotra ho an’ny ankohonana ihany koa ny mitady fanomezana hatolotra ny raim-pianakaviana. Vitsy karazana ka sarotra ny misafidy ny fanomezana ho azy ireo. Lafolafo koa […]
ONG Gret : Omen-danja ny asa sosialy
Mankalaza ny faha-35 taona nijoroany teto amin’ny Nosy, ny ONG Gret amin’izao fotoana izao. Mandalo eto Madagasikara, araka izany, ny tale iraisam-pirenen’ny ONG ka nihaona tamin’ireo mpisehatra rehetra eo anivon’ny asa sosialy, omaly, tetsy amin’ny Carlton. Nodinihina nandritra izany, ny zava-bita tao anatin’ ny fotoana nisian’izy ireo. “Nomen-danja ireo orinasa […]
Tsena eny Soanierana : nihaino ny fitarainan’ ny mpivarotra ny ben’ny Tanna
Nitsidika ny tsenan’i Soanierana ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra, omaly. Notsidihana nandritra izany ireo tsenan’ny fokontany III I ao ambany tsena Soanierana sy ny tsenan’ny fokontany III J ary ny fokontany III L Soanierana. Nangatahan’ireo mpivarotra tao amin’ ny tsenan’ny fokontany III I tamin’ny ben’ny Tànana ny mba hanasiana vavahady […]




