Mois : juin 2023

Ankorondrano : 546 ireo nisitraka fitsaboana

Mitohy ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky va­ho­aka, karakarain’ny Kao­mi­nina Antananarivo Reni­vo­hi­tra. Nisitraka izany indray ireo mponina avy ao amin’ny fokontany Ankorondrano An­dra­nomahery ao amin’ny boriborintany fahatelo. Nanom­boka ny talata teo ary hifarana rahampitso ny hetsika. Tonga nitsidika izany teny an-toerana ny ben’ny Tanànan’An­ta­nanarivo Renivohitra, Andri­an­tsi­to­haina Naina, omaly. Naha­tratra 546 mahery ireo […]

CEPE 2023 : voaaro any amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny laza adina

Araka ny fomba fiasa isan-taona, miasa 24 ora amin’ny 24 ora ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mandra-pahatapitry ny fanadinana rehetra. Hanafaingana ny famoahana ny valim-panadinana izany. Efa any amin’ny foiben’ ny polisy na ny zandary avokoa ny laza adina rehetra ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE, hatao ny talata 20 jona ho avy izao, […]

« Star Tour Tanà » : hanamarihana ny fetim- pirenena

Hahazo ny anjarany amin’ny « Star Tour » koa ny eto Antananarivo. Tao­rian’ny tany Antsirabe, hotontosaina etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe ny « Star Tour Tanà », ny 23, 24 ary 25 jona izao. Natao hifanandrify indrindra amin’ny fanamarihana ny fe­tim-pirenena izany, ho fampifaliana ny mpianakavy, raha ny filazan-dry zareo mpikarakara avy ao amin’ny Star, […]

Angom-pikarohana maro no natambatra… : nivoaka ny boky “Loharano nipoiran’ny teny malagasy”

Lanonana tsotsotra fa manan-danja lehibe. Ton­tosa omaly, tetsy amin’ny Canal Olympia Andohata­pe­naka ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny fivoahan’ilay boky “Lo­harano nipoiran’ny teny malagasy”. Boky navoakan’ny minisiteran’ny Kolon­tsaina sy ny serasera izy ity, izay fandravonana ireo angom-pikarohana nataon’ireo manam-pahaizana momba ny tantara sy ny teny malagasy. voka-pikarohana samihafa momba ny niavian’ny teny […]

Teatra an-kalamanjana: hisehatra eo Analakely ny Tropy Jeannette

Tropy zokiny indrindra, fa tropy mihetsika indrindra ihany koa ! Tsy mitsaha-mikaroka hevitra hampitana sy hampitiavana ny teatra ny Tropy Jeannette. Ezahan’ izy ireo samy mahazo ny anjarany, araka izany, avy ny mpankafy teatra. Efa nentin’ny tro­py tetsy amin’ny efitranon’ny Arena Ivandry an-tsehatra tsy ela akory izay, ilay piesy « HM ». Noho […]