Madiva hifarana ny hetsika « Semaine de la Valiha » niarahana tamin-dRatovo Valiha, eny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM Analakely). « Ny Valiha sy ny tontolony ho fampandrosoana lovain-jafy » no lohahevitra novoizina nandritra ity hetsika ity. Fampirantiana sy atrikasa ary valandresaka momba ny valiha no nentina namenoana izany hetsika izany. Tanjona ny hametraka ny zavamaneno […]
Mois : juin 2023
Very hasina noho ny vanim-potoana : nanjary nisy ny karazan-dray, reny, zanaka…
Tsy nahay nanoratra ny Malagasy fahagola. Na aman-jato taona maro aza no niainany izany, mahalala tsara ny maha izy azy izy ireo. Io tsy fisian’ny soratra io rahateo no singa iray nanery ny Malagasy hampiasa ny sofina mihaino sy ny saina mandinika sy mitadidy ary ny fanahy handalana ny voajanahary… […]
Asa soa – RCTS : ankizy 450 nomena akanjo mafana
Ho fiatrehana ny ririnina, nanolotra akanjo mafana maro, izay milanja 1 taonina sy 850 kilao ho an’ireo ankizy sy mpilalao mpikambana, mitotaly 450, ny Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS). Hetsika fanaon’ny klioba isan-taona, izay notontosaina teny Imamba Soavimasoandro, ny sabotsy 10 jona lasa teo. Samy nahazo ny anjarany avokoa ny […]
Tetikasa baolina kitra : misokatra ny Dato Akademy Mahazaza
Ho fampivoarana ny taranja baolina kitra eny ifotony, nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny alarobia 14 jona lasa teo, teny Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo Antananarivo, ny Dato Akademy Mahazaza. Tetikasa iray novolavolain’ny Dato FC, avy any Farafangana sy ny kaominina eny an-toerana izy ity. Efa misy manerana ny distrika maro ny Dato […]
Basikety N1B (L) : hiditra amin’ny ampahefa-dalana
Andro vitsy sisa dia ho fantatra izay ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny fifaninanana N1B lehilahy, taranja basikety. Hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana sahady ny fifaninanana. Raha ny lalao ampahavalon-dalana omaly, niady ny fifandonana teo amin’ny RBC Boeny sy ny 3FB Atsimo Andrefana. Isa roa monja (49-47) ny elanelana nisy teo amin’ny roa […]




