Mois : juin 2023

SOMBIM-BAOVAO

Ny ekipan’ny Fosa Junior sy ny As Fanalamanga no hanao ny lalao famaranana amin’ny “Playoff Orange Pro League 2023”. Lavon’ny AS Fanalamanga Toa­masina, tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Cosfa Anala­manga, nandritra ny manasa-dalana. Fihaonana notanterahina teny amin’ny kianjan’ny Elgeco plus By-pass, omaly. Ankoatra izay, hahe­motra amin’ny 9 jolay […]

Taranja Teqball : nandrombaka ny medaly volafotsy

Tsy nitsanga-menatra ny ekipam-pirenena malagasy, Teqball, nandritra ny andiany faharoa amin’ny lalao afrikanina fanao amin’ny torapasika «Jeux africains de plage 2023». Fihaonana notanterahina tao Hammamet Tunisie, ny 24 ka hatramin’ny 26 jona lasa teo. Nandrombaka ny medaly vola­fotsy ny ekipa olon-droa miaraka lahy sy vavy, nisy an-dRako­tonirina Diarra Spencer Erickson sy […]

Basikety-“World Cup U19” : tapitra teo amin’ny ampahavalon-dalana ny lalan’ny Ankoay

Resin’ny ekipa frantsay teo amin’ny lalao ampahavalon-dalana ny Ankoay ,omaly. 119 no ho 56 ny isa nisarahan’ny roa tonta. Resy tamin’ny isa 119 no ho 56 ny Ankoay, tany Debrecen Hongrie, omaly. Tapitra hatreo ny lalan’i Madagasikara, amin’ny fia­diana ny amboara eran-tany. Noravain’i Frantsa, teo amin’ ny ampahavalon-dalana ny no­finofin’i […]

Ampahibe: fikaonandoha momba ny TCA

Notanterahina, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena Ampahibe, teo ambany fitarihan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny fivoriana fampiharana eto Madagasikara ny fifanarahana ara-barotra momba ny fitaovam-piadiana na “traité sur le commerce des armes” (TCA). Nanatrika izany ireo delegasiona mamita iraka eto Madagasikara. Toy ny avy amin’ny Firenena mikambana, ny Vondrona eoropeana […]