Mois : juin 2023

Basy telo tratra… : lavon’ny zandary i Norobe sy ny namany

Lavon’ny balan’ny zandary nandritra ny fifampitifirana tao Antsahatanteraka Andrano­ma­nelatra, Antsirabe II, ny alatsinainy teo, ny jiolahy raindahiny antsoina hoe i Norobe sy ny namany iray. Teo am-piomankomanana hanao fa­nafihana izy ireo no nifanehatra tamin’ny zandary. Tafa­poritsaka nandritra ny fifanandrinana ny roa lahy naman-dry zalahy. Tratra teny amin’izy ireo ny basy […]

Tetikasa Rindra : hampangarahara ny fitantanana ny asam-panjakana

Haharitra dimy taona ny fanatanterahana ny tetikasa “Rindra” eto Madagasikara. Tanjona ny hampangaraharana ny fitantanana ny asam-panjakana. Nifarana ny 16 jona lasa teo ny atrikasa, naharitra telo andro, hanatanterahana ny tetikasa “Rindra”. Notanterahina tany amin’ny distrika telo (Fenoarivo Atsi­nanana, Vavatenina, Soanie­rana Ivongo) sy kaominina 14 anatin’ny faritra Analanjirofo. Nanomboka niasa […]

INDRAY MIJERY

Manoloana ny lozam-pifamoivoizana mahakasika ireo fiara fitateram-bahoaka eto Antananarivo dia mampahatsiahy ny CUA fa ny fiara rehetra mandalo eny amin’ny « visite de conformité » dia tsy maintsy efa nahavita ny fitsirihana teknika ara-dalàna. Misy toromarika amin’ny fanamboarana tokony hatao homena mandritra ny fitsirihana natao. Nanomboka ny 2 jona lasa teo ny […]

Herinandron’ny Haratonaina : hatao eto Atananarivo ny fakan-kevitra

Hofaranana eto Antanana­rivo, ny 6 hatramin’ny 8 jolay izao, ny “Herinandron’ny Hara­tonaina”. Mikarakara izany ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy. Hisy ny fakan-kevitra hiantsoana ny rehetra ahafahana manao tombana sy manatsara ny dingana manaraka. Hatao etsy amin’ny Parvis, Lapan’ny Tanàna, Analakely ny hetsika. Hisy […]