Mois : juin 2023

Fanadinana bakalorea : manomana “cours” maimaimpoana ny CUA

Mikarakara cours maimaimpoana ho an’ireo mpanala fanadinana bakalorea ny Kaominina Antananarivo Reni­vohitra. Miandraikitra izany ny sampandraharaha misahana ny sosialy sy ny fahasalamana ary ny fanabeazana. Hotante­ra­hina ny 3 ka hatramin’ny 7 jolay ny fanampiana ireo mpiadina. Manomboka amin’ny 8 ka hatramin’ny 12 atoandro. Hizara roa ny toerana hanatanterahana izany. Hisy […]

Fanadinam-panjakana BEPC : 25 001 ny mpiadina eto Antananarivo Renivohitra

Hotanterahina ny 3 ka hatramin’ny 6 jolay ny fanadinana BEPC. Efa miomana amin’ny fiatrehana izany ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Cisco manerana ny Nosy. Mahatratra 25 001 ny mpiadina BEPC hiparitaka amin’ny foibem-panadinana 35 manana efi­trano 632, eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. 21 218 nisafidy ny sokajy A. Mizara safidy telo arakaraka […]

Kaominina Toamasina “Suburbaine”: naaton’ny mpanolotsaina ny ben’ny Tanàna

Vaky ny ady eo amin’ny samy mpiray donakafo eo anivon’ny antokon’ny filoha TGV/Mapar. Voakasik’iza­ny ny ao amin’ny kaominina manakaiky ny Renivohitra na i Toamasina “Suburbaine”. Nandray fanapahan-kevitra nandritra ny fivoriana ny filankevitry ny Tanàna ao an-toerana, ny talata teo. Nampia­toana ny ben’ny Tanàna, Ba­rison Charles. Nandatsa-bato miafina ny mpanolotsaina di­my […]

Tatitra tamin’ireo mpamatsy vola: nahavita CSB miisa 104 ny fanjakana

Nitarika fivoriana niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’ antoka iraisam-pirenena ny filohan’ny Repoblika, Rajoe­lina Andry. Notanterahina teny Iavoloha, ny talata teo, nanaovany tatitra ny zava-bita. Nisy ny jery todika momba ny fiaraha-miasa. Ny fanatsarana sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireto mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena ireto. Nambaran’ny Filoha fa na­nao ezaka ny governemanta tao anatin’ny efa-taona. […]

Antenimierampirenena: raikitra ny fanonganana ny birao maharitra

Tafapetraka, afakomaly, ny fangatahana fanesorana mpitantana vitsy ao amin’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena. Ho fantatra anio ny ho tohin’izany. Raikitra! Natolotra ny seketera jeneralin’ny Antenimierampirenena, afakomaly, ny taratasy fanonganana mpikambana efatra amin’ny birao maharitra ao Tsimbazaza. Tompon-kevitra ny depiote telo avy amin’ny IRD. Anisan’ny haongana ny filoha lefitra ho an’ny […]