Mois : juin 2023

Fanitarana ny fiaraha-miasa : hiantsehatra amin’ny fambolena koa ny Croix-rouge

Tsy hijanona amin’ny nahalalana azy hatramin’izay. Tonga eto amintsika manatanteraka iraka ny delegasiona avy amin’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny Croix-Rouge sy Croissant Rouge. Noraisin’ny Praimini­si­tra Ntsay Christian, teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, izy ireo, omaly. Nodinihina nandritra ny fihaonana teo amin’ ny roa tonta ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny alalan’ny Croix-Rouge Ma­lagasy. Tafiditra […]

Mandritra ny fety : mila mailo amin’ny sakafo

Fotoan’ny hanim-pitoloha ny fetin’ny fahaleovantena ho an’ny tokantrano malagasy. Mikarakara ny karazan-tsakafo ho an’ny ankohonana ao an-trano. Mila mailo anefa amin’ny mety ho fanapoizi­nana ara-tsakafo noho ny an­tony maro. Matetika sakafo na rano nidiran’ny otrikaretina na vokatry ny akora simika no mahatonga ny fanapoizinana ara-tsakafo. Tena saropady ny fanapoizinana ara-tsakafo […]

Fahasalamana : fandidiana ihany no vahaolana amin’ny hernie inguinale

Niresaka momba ny hernie inguinale, mpahazo ny zazakely ny profesora Rahe­rison Aristide Romain, mpandidy ankizy ao amin’ny CHU HJRA, araka ny tatitry ny sampandraharaha mampiroborobo ny fahasalamana (DGFS). Fandidiana ihany no va­haolana tsara indrindra amin’ ny fitsaboana ity hernie ity, hoy ny profesora. Tsy mifidy fa na mbola vao amam-bolana […]

Iray volan’ny ankizy : hampahafantarana sy hiarovana ny zony

Nikarakara hetsika fanentanana sy fampahafantarana ny zo sy fiarovana ny ankizy ny kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly. Natao tetsy amin’ny Graines de Bitume Soanierana ary mbola hotohizana eny amin’ny Centre Manda eny Tsiadana. Tanjona ny hahafahan’ny ankizy misitraka ny zony feno, raha ny fanazavana. “Azo fehezina ao anaty foto-kevi-dehibe 4 ny […]

AFanomezan-dra : tsy marisika sy matahotra ny ankamaroan’ny Malagasy

Mbola tsy marisika sy matahotra ny ankamaroan’ny olona hanome ra, raha ny fanazavana. Nisy, araka izany, ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpanome ra hanentanana ny olona hanao izany. Nankalazaina, omaly, teo alohan’ny hopitaly HJRA ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpanome ra eto Madagasikara. Nampi­ton­draina ny lohahevitra hoe : […]