Volana jona, ao anatiny tanteraka ny fampisehoana adin-kiragasy… «Tsara fanombohana kokoa ny tsena raha oharina tamin’ny taon-dasa», hoy i Dadafara, iray amin’ireo mpikarakara seho eo amin’ny tontolon’ity zavakanto malagasy ity. Raha ny fanazavany hatrany, somary nitodika tamin’ny hiragasy ny Malagasy noho ny fanentanana natao azy ireny ho any amin’ny fiverenana […]
Mois : juin 2023
Na eo aza ny fetin’ny ray : ny reny no akaiky kokoa ny Malagasy
Samy manana ny anjara toerany ao an-tokantrano ny ray sy ny reny. Lohan’ny ankohonana ny ray, saingy akaikin’ny fo kokoa ny reny raha eo amin’ny fiarahamonina Malagasy. Ny ray no lohan’ny tokantrano. Ny ray no mamelona ny ankohonany. Ny ray no laharana voalohany amin’ny fiatrehana sy fanatontosana adidy, sns. Na […]
Tabera R. : “Hanao fifidianana ny Tetezamita”
“Manohana ny fananganana ny fitondrana Tetezamita izahay. Hikarakara fifidianana fotsiny ireo ao anatin’izany governemanta hijoro izany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny CRN, i Tabera Randriamantsoa. Izay ho Praiminisitra amin’izany no handamina an’izay fikarakarana fifidianana izay, satria tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa izy. Toy ny Praiminisitra tamin’ny Tetezamita, taona 1992, […]
Depiote Razakandrainy Dominique : “Efa miroso amin’ny fifidianana isika”
“Efa nisy ny fanapahan-kevitra noresahina ampahibemaso nolazain’ny Praiminisitra, nanamafy izany amin’ny fitsidiham-paritra ataony koa ny filohan’ny Repoblika: hisy ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Tapitra ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika. Tsy tokony hitarina izany fa halefa ny fifidianana, hirosoan’ny raharaham-pirenena.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Sakaraha tamin’ny anaran’ny IRD, Razakandrainy Henri […]
Ramamimampionona Gérard : “Mba tsy hisy ambadibadika ny sata fitsipi-pifehezan-tena”
“Mba hatao mazava ny fitsipi-pifehezan-tena ary hanaraka izany tsara ny rehetra, rehefa hoe hifanandrina amin’ ny fifidianana. Zava-dehibe izay, ary tokony hazava dieny mialoha ny zava-drehetra. Mba tsy hisy ambadibadika ihany koa izay, ka hiteraka tsy fifampahatokisana na fisaratsarahana na sanatria misy ady anatiny indray hoe ny sasany voaray ary […]




