Hanomboka anio sy rahampitso, any Genève ny fihaonana an-tampon’ny Fikambanam-be iraisam-pirenena momba ny asa (OIT). Anisan’ireo handaha-teny amin’izany ny filoha Rajoelina Andry, ny alakamisy izao. Hiompana amin’ny fiahiana sosialy mitovy tantana ho an’ny rehetra ny lohahevitra amin’ity andiany ity. Tafiditra amin’ny Velirano fahenina ny fihaonana ho antsika, amin’ny alalan’ny asa […]
Mois : juin 2023
Depiote Razafimanantsoa Hanitra : “Mirona tanteraka ho any amin’ny fifandonana isika”
Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny depiote Razafimanantsoa Hanitra, omaly, tao amin’ny fandaharana “Miara-manonja”. Nambarany fa mampanahy ny ho avy sy ny hiatrehana ny fifidianana raha miainga amin’ny zava-misy, ankehitriny. Nambarany fa efa tsy ho azo atao intsony izany izao ny fifamezivezena sy ny fananana zo haneho hevitra. “Miezaka […]
Fiatrehana ny fifidianana: hatao petadrindrina ny lisitry ny mpifidy
Hofaranana tanteraka ny 20 jolay izao ny rejisitry ny mpifidy, araka ny nambaran’ ny Ceni, teny Alarobia, omaly. Na izany aza, mbola azo atao ny mitondra fanamarihana momba izany. “Hatao petadrindrina eny anivon’ny fokontany ny lisitra nofaranana ny 10 jona ka manana 20 andro hanaovana fanamarihana sy fanamarinana ny olom-pirenena […]
Ho raharahabe !
Nahoraka ny tositosika sy ny fifanasana vangy, ary niafara tamin’ny fianjerana mpitandro filaminana, nataon’ny mpanao politika iray, tany Morondava, ny faran’ny herinandro lasa teo. Niteraka fanehoan-kevitra samihafa izany. Andaniny, nisy ny nankasitraka sy nipao-tsatroka tamin’ny fahasahian’ingahy depiote nijoro tamin’ny heviny. Raha ny fantatra manko, efa nahazo alalana izy ireo hanao […]
Torimaso fotsy: fiara tsy mataho-dalana, nahafaty mpitaom-biriky
Maty tanatin’ny indray mipi-maso ny mpitaom-biriky iray. Voafaokan’ny fiara teny Anosizato, omaly. Voalaza fa tratry ny torimaso fotsy ny mpamily. Olona iray namoy ny ainy teo no ho eo vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tetsy Anosizato, omaly tamin’ny 3 ora sy sasany. Fiara tsy mataho-dalana iray nikasa hihazo an’Ampitatafika no niharan-doza […]




