Mois : juin 2023

Basikety – Alley Hoop 3×3 : raikitra ny fifaninanana ho an’ny U20

Hotanterahina ny alahady 18 jona, eny amin’ny Parking Orange Tour Redland, ny fifaninanana “Alley Hoop 3×3”, taranja basikety, natokana ho an’ny latsaky ny 20 taona. Andiany faharoa amin’ny “Al­ley Hoop”, taona 2023, ity fifaninanana iarahan’ny Oran­ge sy ny RDJ mikarakara ity no sady tafiditra amin’ny faha-20 taonan’ny RDJ ihany koa. […]

Taekwondo : nanambara ny tsy mety ny ligin’Analamanga

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny filohan’ny ligin’ Ana­lamanga, taranja taekwondo, Rakotomanana Franck Tiana, taorian’ny fa­havitan’ny fiadiana ny amboaran’ny masoivohon’i Korea, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Tsy nitsitsy fitenenana ny tenany namaky ny vay maharary ity haiady ity. Naneho ny fahagagany izy ny amin’ny tsy nampiasana ny “passeport” sy ny […]

Can 2023 : nantsoina hanolo an’i Njiva i Carolus

Afaka dimy andro, hifandona amin’ny Black Star Ghana ny Barea de Mada­gascar. Lalao miverina amin’ny fifanintsanana Can 2023, ny 18 jona ho avy izao. Araka ny vaovao navoakan’ ny Fe­de­rasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, i Carolus, lohalaharana Barea, no manolo ny toeran’i Njiva. Fanomanana taratasy fifanarahana amin’ilay kliobany vaovao […]

Baolina kitra : vaky ny ady eo amin’ny Uficasm sy ny federasiona (FMF)

Tonga amin’ny tsontsorimamba isarahana, ankehitriny, ny Uficasm sy ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Vaky noho ny resa-bola ny ady. Tsy takona afenina intsony ny disadisa misy eo amin’ny fikambanana Uficasm, mikarakara ny Barea U23 sy ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Mifanasa vangy amin’ny tambajotran-tserasera ny roa tonta. Ny […]

Notrongisin’ny moto : lehilahy nandeha bisikileta maty

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tao Toamasina II, omaly maraina , tamin’ny 10 ora, amin’ny lalam-paritany avy eo Ivoloina mampifandray ny kaominina maro ha­trany Mangabe. Tsy mifanalavitra ny tetezana iray vao vita no nitranga ny loza. Raha ny angom-baovao voaray avy any an-toerana, raim-pianakaviana nandeha bisikileta no notrongisin’ny moto ka maty […]