Mois : juin 2023

Mananara Avaratra : tsy faly amin’ny sefo distrika ireo olon-kendry

Tezitra ary naneho ny alahelony ny vondron’ireo olon-kendry ao Mananara Avaratra, ny herinandro teo. Anisan’ny tsy nahafaly azy ireo ny fihetsiky ny sefo distrika, Rabo­tohavana Florent. Namba­ran’ireo mpitondra fivavahana sy ny nentin-drazana, miaraka amin’ny mpandraharaha any an-toerana fa tsy nomena hasina sy haja izy ireo tamin’ny fandraisana ny filohan’ny Repoblika […]

Fandehanana misotro ronono : Isaorana eny Soamandrakizay ny Mgr Razanakolona

Fahasoavana mitohy ny an’ny diosezin’Antananarivo. Hifanesy ny Sorona Masina fisaorana an’Andriamanitra ho an’ny eo anivon’ny fiangonana katolika. Hotanterahina ny alahady 9 jolay izao, eny Soamandrakizay ny fankasitrahana ny arseveka, ny Mgr Razanakolona Odon, taorian’ny naneken’ny papa Fransoà ny handehanany hisotro ronono. “Fotoana io hisaorana an’Andriamanitra sy iderana azy noho ny […]

Antsahameva-Ankatso : nanome tolo-tanana vonjimaika ny minisitera

Nangasihasy ireo mpianatra niharam-boina tetsy An­tsahameva-Ankatso satria tsy nisy noraisina intsony ireo fitaovam-pianarana sy ny en­tana tao an-trano vokatry ny hain-trano nitranga ny sabo­tsy teo. Hotohoton’ny afo ny trano nofain’ireo mpianatra. Tsy nijery fotsiny fa tonga teny an-toerana avy hatrany ny iraky ny minisitry ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana […]

Fampianarana teknika : nampitaovanina ny CFP Ejeda

Notanterahina tany Ampa­nihy, ny faran’ny herinandro teo, ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny fampitaovana ny foibem-piofanana arak’ asa any Ejeda. Natokana ho an’ireo mpiofana, miisa 67 ny fitaovana tsotra sy ny fitaovana teknika. Hanatsara ny kalitaon’ny fiofanana ny fampitaovana. Ahafahan’ny mpiofana manao fampiharana, izay miantoka ny fahombiazan’izy ireo amin’ny fampianarana. […]