Avotra soa aman-tsara ireo olona valo, hita tao anaty lakana maty, tao Ampolahambe, Masoala, omaly. Voarara tsy handriaka noho ny andro ratsy, niainga tao Maromandia-Ste Marie, izy ireo, ny 25 jona tolakandro. Vehivavy ny iray tamin’ireo valo ary nikasa hihazo an’Antsiraka Antanifotsy ity sambo ity. Maty anefa ny motera. Tavela […]
Mois : juin 2023
Voahitsaky ny lamasinina: sady potika no tapaka ny tongotr’ilay lehilahy
Potipotika ny taolany! Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray voahitsaky ny fiarandalamby, tao Lohariandava Brickaville, tamin’ny alatsinainy maraina. Raha ny fahitana ny razana, tapaka ny tanany, ny niala ny tongony rehefa notetezin’ny kodiaram-bin’ny lamasinina. Nahazo loharanom-baovao ny lehiben’ny fokontany Lohariandava momba ny fisian’ity lehilahy hita faty ity. Niantso ireo zandary […]
Ambatosoratra : zaza roa taona hita faty tao anaty rano
Tsy nisy aina intsony! Zazalahy 2 taona maty tao anaty rano manamorona ny farihin’Alaotra, afakomaly. Nokarohina nanomboka ny alin’ ny 25 jona teo ity zazakely ity. Avy namonjy alim-pandihizana ny reniny no tsy nahita azy intsony tao an-trano, anatin’ny fokontany Marovato, kaominina Ambatosoratra. Naharay antso tamin’ny lefitry ny ben’ny Tanàna […]
Tsy afaka CEPE : zazalahy 12 taona, namono tena
Maty nihantona tamin’ny lamba tao an-tranony ny zazalahy vao 12 taona, ny sabotsy teo. Voalaza ho antony, ny tsy fahafahany ny fanadinana CEPE. Maty, namono tena ny zazalahikely vao 12 tao ny sabotsy lasa teo tany Ambatomanjaka, kaominina Ambatomainty, distrikan’i Morafenobe. Niara-niandry ny voka-panadinana niaraka tamin’ny kambana taminy izy tamin’io […]




