Hanatontosa ny kongresy nasionaly ny antoko Tiako i Madagasikara (Tim), ny sabotsy 1 jolay 2023, eny amin’ny Magro Tanjombato. Vonona ny mpikambana rehetra. Efa vita ny dingana ara-panjakana ahafahana manatanteraka izany ao anatin’ny ara-dalàna, raha ny nambaran-dRandriamasinoro Tahiry Ny Rina, sekretera jeneralin’ny antoko Tim. Mpikambana 20 000 isa no vinavinain’ny mpikarakara […]
Mois : juin 2023
Governora faritra Analamanga : “Adihevitra diso ny momba ny fizakana zom-pirenena”
“Adihevitra diso ny momba ny fizakana zom-pirenena. Tsy mbola niala aminy ny maha Malagasy azy”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Fanazavana nentiny momba ny fizakan’ny filohan’ny Repoblika zom-pirenena frantsay ka hoe tsy hahazoany mirotsa-kofidina. Misy didim-panjakana ny fanalana ny zom-pirenen’ny olona […]
Ceni : “Azo antoka ny vola hanaovana fifidianana”
Nilaza ny mpampakatenin’ny Ceni fa azo antoka ny vola hanaovana fifidianana. Toy izany koa ny lafiny fitaovana sy teknika. «Raha ny fandehan-draharaha amin’izao, tsy misy antony anahiana ny fanatanterahana fifidianana. Tena azo antoka izany eo amin’ny lafiny vola sy fitaovana ary teknika», hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, […]
TARATRY NY KANTO
Nanie- Mandalo an-tanindrazana Efa fotoana ela no tsy nahitana an’i Nanie nisehatra teto Madagasikara. Fantatra izao fa mandalo eto ity mpanakanto ity; Fantatra ihany koa fa misy seho maromaro handraisany anjara, ka ny akaiky indrindra amin’izany dia ny fiarahany an-tsehatra amin’i Mahery Majika ny zoma 30 jona izao, etsy amni’ny […]
Tantara an-tsehatra : any Antanifotsy indray ry Rakoto, Niravo, Faly…
Hitohy any Antanifotsy indray ny seho an-tsehatra iarahana amin’ireo mpilalao tantara amin’ny onjam-peo. Hiseho vahoaka any an-toerana ny alahady 2 jolay izao, amin’ ny 1 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny kianja malalaka Mb Terezy i Niravo, Rakoto, Faly, Synèse ary Antsa Ravaka. Holalaovin’izy ireo an-tsehatra amin’izany ilay tantara nosoratan’i […]




