Handimby ny « Revy Rock » ny « Hiaraka Mi-Rock » ! Manohy ny lalany eo amin’ny tontolon’ny mozika hatrany ny tarika Serge GPE. Rahampitso zoma 30 jona, hanomboka amin’ny 7 ora hariva, ao amin’ny 26 Twenty six, Karibotel Analakely, no hitondran’izy ireo indray ny « Hiaraka Mi-Rock ». Hifanakaiky amin’ny mpankafy ny kanto ry zareo amin’io […]
Mois : juin 2023
“Itaosy Kaomedy Klioba” : hizara endri-tseho hafa ireo mpanao hatsikana
Mety ho anarana vaovao amin’ny maro. Azo antoka anefa fa hiverimberina ary halaza tsy ho ela. Mihora Andrianina, Aina Maharavo, Zina Rabedaoro, Deds Clodio ary Tsiresy Radilofera. Tanora mpanao hatsikana, homena sehatra eny Itaosy aloha… Toa tsy misy misongadina mihitsy ireo tanora mpanao hatsikana? Fanontaniana heno mipetraka matetika io. Ny […]
Atsimo Andrefana : olona maherin’ny 3 000 nilahatra manohana ny Base Toliara
Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena ireo mpanohana ny orinasa Base Toliara. Maherin’ny 3 000 no nilahatra. Mivondrona anaty fikambanana miisa 30. Ahitana ny mponina akaiky ny toeram-pitrandrahana fasimainty, ny ao Toliara an-tampon-tanàna, hananganana ny toerana hanondranana ny vokatra, sns. Anisan’ny antso avo nataon’ny solontenan’ny fikambanam-behivavy […]
Mahaleo tena isan’andro
Vita iny ny fankalazana ny niverenan’ny Fahaleovantena, na teo aza ny fiantsoana sy fihantsiana tsy hanatrehana izany. Ahoana ny manaraka? Ny fitohizan’ny raharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka. Voafafan’izay ve ny fahasahiranana andavanandro mandavantaona? Nitondra inona àry ny fankalazana? Mba tsy fombafomba sy fahazarana fotsiny… Tena misy sy iainana ny Fahaleovantena? […]
Niverina ny Corsair : mitombo isa ny zotra ana habakabaka
Nigadona omaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Airbus 330neo, an’ny kaompania Corsair. Niverina izany telo taona aty aorian’ny nampiantoana azy. Nigadona, omaly 28 jona tamin’ny 1 ora sy sasany, teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, ny fiaramanidina Airbus 330neo an’ny kaompania Corsair, niainga avy any Paris. Nilaza ny filoha tale jeneraly […]




