Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny iray tamin’ireo dahalo niaraka tamin’ny basy niampy ireo omby 200 nangalarin’izy ireo, tao Andavarary ambony, distrikan’Analalava, ny faran’ny herinandro teo. Anatin’ny hetsika famongorana ireo mpangalatr’omby ao amin’ny faritra Sofia, nanao be midina ny zandary notarihin’ny kaomandin’ny vondro-tobim-paritra ao an-toerana. Nanao fisafoana ireo kizo malaza ratsy […]
Mois : juin 2023
Ilafy : dimy lahy nidoboka am-ponja
Toarian’ny fampanoavana, naiditra am-ponja vonjimaika ireo dimy lahy saron’ny zandary nangalatra varavaram-by tetsy amin’ny fokontany Ambohibe, kaominina Ankadikely, ny 9 jona teo. Ny alin’ny 6 jona hifoha ny 7 jona, niara-nangalatra ireo entana ireo izy dimy lahy ireto ka nitatitra izany mangingina. Nifanehatra tampoka tamin’ny mpitandro filaminana manao fisafoana amin’ny alina anefa izy ireo. […]
Halatra taova : Tovolahy iray nisy naka ny voamasony roa
Nampihoron-koditra! Tovolahy iray no nisy naka an-keriny, ny herinandro teo, tao amin’ny fokontany Tsiandamba kaominina ambanivohitr’i Tsifota Toliara II. Nalain’ireo nahavanon-doza ny voamasony roa ka naratra mafy izy. Raha ny tatitra nampitain’ireo nahita ny zava-misy tany an-toerana, teny an-dalana hamangy ny fianakaviany any Antseva no nentin’ireo olon-dratsy tany anaty ala. […]
Tir en l’air du 12 Juin 2023
Les Photos du 12 juin 2023
Photos: Tiana Rakotomavo




