Mois : juin 2023

« Festival des rugby » : resin’ny Makis ny ekipan’i La Réunion

Tsy nahatohitra ny Makis de Madagascar ny ekipa voafantin’i La Réunion, nandritra ny “Festival des rugby”. Nomontsanin-dry zalahy izy ireo, nandritra ny fihaonana, natao teny amin’ny kianja Makis, omaly. Tontosa, omaly, tetsy amin’ny kianja Makis Andohata­penaka ny «Festival des rugby». Nanamarihana izany ny fihaonan’ny Makis de Madagascar sy ny ekipa voafantin’i La Réunion. Niondrika teo […]

Kongresim-paritra: nihaino ny olan’ny vahoaka tany Farafangana Ravalo

“Betsaka ny zava-bitanao taty aminay. Nahavita nanamboatra ny lalana mirefy 300 km nefa tsy notokananao izany ary tsy nisehosehoana… Tsy nanavahana ny “Kit scolaire” sy ny fijerena ny fanabeazana. Tahaka izany koa ny fampiroboroboana ny fiompiana sy ny fambolena”, hoy ireo vahoaka tany Manakara sy Farafangana. Nanatante­raka ny kongresim-paritra tany […]

Fiombonana ; “Voahitsakitsaka ny lalàna”

“Manitsakitsaka ny lalàmpanorenana ny zava-misy. Satria tokony hisy ny lalàna fanitsiana ny tetibola”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin, manoloana ny tsy fisian’ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana, taona 2023. Mitaraina ny Ceni amin’ny vola voasoratra ao amin’ny lalàna mifehy ny tetibola hahazoana manatanteraka fifidianana. Ahoana àry ny fomba […]

Satan’ny mpanao politika : notebahin’ny ACS ny FES

“Fahefana avy aiza no ahazoan’ny FES milaza fa tsy tokony hatao teny faneva amin’ny politika ny Soratra Masina? Tena fanosihosena ny soatoavina malagasy iza­ny. Kristianina avokoa ny 70% amin’ny vahoaka, ary mino an’Andriamanitra-Za­nahary an-tampon’ny loha aza ny 100%.” Io ny fanehoan-kevitry ny mpitarika ny Amicale des anciens Conseil­lers supérieurs de […]