Mois : juin 2023

Fivoriambe atsy Afrika Atsimo: hiady ny hisitrahan’ny vehivavy tany i Masy Goulamaly

Nitohy atsy Afrika Atsimo ny fiatrehan’ny depiote Masy Goulamaly fivoriana iraisam-pirenena, solontenan’i Madagasikara. Hiofana momba ny zon’ny vehivy ho amin’ny fananantany sy ny harena voajanahary ny tenany amin’izany. Hotanterahina, manomboka rahampitso, any Afrika Atsimo, hatramin’ny 15 jona izao izany fivoriana sy fiofanana izany. Hiompana amin’ny harena voajanahary sy ny tokony […]

Tenisy – « Mondial 2023 » : tompondaka tamin’ny “Billie Jean King Cup” i Madagasikara

Tanteraka ny fanamby ho an’ny ekipam-pirenena vehivavy malagasy, taranja tenisy. Voahosotra ho tompondakan’ny fifaninanana eran-tany « Billie Jean King Cup » izy ireo. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 0, i Tanzania, nandritra ny lalao famaranana, izay natao ny sabotsy 10 jona lasa teo, tany Kigali, Rwanda. Araka izany, tafita ao […]

Fandinihan-tena amin’izay atao izao

Hanao ahoana ity raharaham-pirenena ity? Mampanon­tany tena ny sasany, mampiroaroa saina, mampanahy… Hisy ihany ve, ohatra, ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ity taona ity? Na hiditra amin’ity hoe Tetezamita… Tsy ampy ny fanazavana? Na tsy maharesy lahatra, tsy arakaraka ny zava-misy sy ny atao izay lazaina… Lasa mahabe resaka amin’izao ny […]

Noho ny fandehanana mafy: nivadika ny fiara, naratra ny mpamily

Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray tetsy Ambodiafontsy anatin’ny lalam-pirenena voalohany, omaly maraina. Fiaran’olon-tsotra iray nidona tamin’ny sisin-dalana ka nivadika vo­katry ny fandehanana mafy, omaly maraina tamin’ny 4 ora sy sasany. Avy any Ampita­tafika nikasa hihazo an’i Malaza ity fiara ity. « Nifane­na tamin’ny fiara iray izy. Taratry ny jiron’ilay fiara io ny […]

Vao nivoaka ny fonja.. : tratra nangala-bilany ilay jiolahy

Tsy mety fay mihitsy ! Tratran’ny zandary mpanao sakana amin’ny lalam-pirenena RN4 teo Mahitsy, ny sabotsy teo, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana miharo halatra. Nohamafisin’ny zandary fa jiolahy mpamerin-keloka izy ity. Nanao ny asa ratsiny tao Nandihizana, fo­kontany Tsarahonenana, kaominina Mahitsy, ny zoma teo izy. Fitaovan-dakozia marobe no tratra tany […]