Mois : juin 2023

Lalaon’ny Nosy 2023 : nifarana ny fiofanan’ny atleta tany Chine

Nikatona tanteraka ny fiofanana nataon’ny atleta malagasy tany Chine, ho an’ny taranja atletisma sy fibatana fonjamby. Fiofanana ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy, hatao eto Madagasikara ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra izao. Tamin’ny alalan’ny fi­tsapana farany no namaranana tanteraka ny fiofanana natrehin’ireo atleta malagasy any Chine, ho an’ny taranja atletisma manokana. Nisy […]

Harena an-kibon’ny tany : mihamatotra ny fiaraha-miasa amin’i Frantsa

Manana fifandraisany akai­ky amin’ny sehatry ny ha­rena an-kibon’ny tany i Fran­tsa sy i Madagasikara. Norai­sin’ny minisitry ny Ha­rena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika, Rako­tomalala Herindrainy Olivier, teny amin’ny birao fiasany Ampandrianomby, ny 8 jona teo, ny masoivohon’i Frantsa vaovao, Arnaud Guillois. Navoitran’ny ambasadaoro frantsay ny asa nataon’ny Birao fikarohana […]

Ady amin’ny jono tsy ara-dalàna: hovolavolaina ny paidaky iraisam-paritra

Tapitra ny alarobia teo ny fivoriambe iraisam-paritra momba ny jono tsy ara-dalàna, tsy voatatitra ary tsy voafehin-dalàna (pêche INN). Hoentina hamolavolana paikady iadina amin’ny jono tsy ara-dalàna, tsy voatatitra ary tsy voafehin-dalàna ny fehinkevitr’ity fivoriambe ity. Ho fantatra aorian’izay ireo fomba enti-manohitra izany tsy fanarahan-dalàna izany. Tsiahivina fa naharitra telo […]

Israely- Madagasikara: hampiroborobo ny toekarena sy ny varotra ny CCISMA

Na firenena kely velaran-tany aza i Israely, ambony be ny tahan’ny fitomboan-karena isam-batan’olona. Nampaha­fan­tarina, omaly, ny fijoroan’ny Antenimieran’ny Varotra Israely-Madagasikara (CCISMA) eto Madagasikara. Tan­jona, ny hanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-barotra ary ara-kolontsaina eo amin’ny tany roa tonta. Manana tombondahiny amin’ny lafiny fahaiza-manao i Israely, eo amin’ny sehatry ny fambolena […]

Betafo : nahazo ozinina manodina ovy ho lasa chips

Afaka manodina ovy 100kg isan’ora ilay milina napetraky ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana ao Betafo, omaly. Ha­nampy betsaka ny tantsaha ny fahazoana ity ozinina ity, noho izy ahitana lalam-barotra amin’ny famokarana ao an-toerana. Tetikasa izay tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony sy […]