Nahazo fitaovana (dabam-pako 115 sy camion vidangeur roa ary fitaovana fiarovana maro samihafa) avy amin’ny Pnud ny kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny lanonana. Tonga nanatrika izany, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra sy ny solontenan’ny Pnud. «Hampiasaina handraofana ny fako sy hanadiovana ny lakandrano eto amin’ny […]
Mois : juin 2023
Fampandrosoana an’Antananarivo : miara-miasa amin’ny kaominina ny mpivarotra sy ny mponina
Nanao soniam-piaraha-miasa tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ireo fikamban’ny mpivarotra sy ny mponina manerana ny boriborintany enina, omaly. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fifanarahana. Mivondrona ao anatin’ny fikambanana 27 ireo mponina, ao anatin’ny fikambanana dimy ireo mpivarotra, izay manerana ny boriborintany enina. Tanjona ny hamerenana ny hasin’ny tanàn’Antananarivo mba […]
Fiahiana sosialy: nanome 7 hetsy dolara ny Pam
Vita tetsy Anosy, omaly, ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny fandaharanasam-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (Pam) sy ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy. Vola mitentina 7 hetsy dolara no enti-miasa hanarenana ara-tsakafo ireo olona tena marefo any amin’ireo faritra iasany, amin’ity taona ity. Havaozina isan-taona ny […]
Santa : afaka nampiana-janaka rehefa tafapetraka ny Voamami
Mpikambana ao anatin’ ny Voamami Tanjona i Santa, ao amin’ny fokontany Ambodibonara. Manan-janaka 6 mianadahy izy. Afaka nampiana-janaka ara-dalàna rehefa mirindra tsara ny findramam-bola. Afaka nampianatra ny zanany any Mahanoro ary efa afaka bakalorea izy ankehitriny. “Indray alahady, sendra tsy salama tampoka aho, tsy nanam-bola satria efa nalefa tany amin’ny […]
Kaominina Ambodibonara: manavotra tokantrano maro ny firoboroboan’ny fikambanana Voamami
Notanterahina tany amin’ny kaominina Ambodibonara, distrikan’i Mahanoro, ny herinandro teo, ny Andron’ny Voamami na Vondron’olona an-toerana miara-manao tahiry sy mifampindram-bola, izay novolavolain’ny USAID Access. Anisan’ny miavaka ny Voamami ao Ambodibonara satria miroborobo ary efa mipetraka ny fifampitokisana sy ny drafitra amin’ny tahiry sy findramam-bola, hoy ny mpiandraikitra ny Voamami ao […]




