Mois : juin 2023

Havàtsa-UPEM : mitohy ny atrikasa momba ny tantara foronina

Tontosaina anio, eny amin’ ny foibe toeran’ny Havàtsa-UPEM, Tahala Rarihasina Analakely, ny Atrikasa fanoratana tantara foronina karakarain’ny fikambanana Ha­vàtsa-UPEM. Ity hetsika ity izay tafiditra ao anatin’ny iray volana anandratana ny teny malagasy. Amin’ity anio ity, Ranjatohery Harilala, mpampianatra sy mpikaroka ary mpanoratra tantara foronina no hitarika ny atrikasa. Tan­jona amin’izao […]

« 14ème Slam national » : efa fantatra ny datin’ny hetsika

Fantatra taorian’ny fandraisan’anjaran’i Madagasi­kara, tamin’ny fiadiana ny amboara eran-tany fa hotanterahina ny 21 septambra 2023 hatramin’ny 30 septambra 2023, eto Antananarivo, ny «Slam National» andiany faha-14, karakarain’ny fikambanana Madagaslam. Maro ny ezaka entina hanatsarana ity andiany faha-14 ity, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra mpikarakara. Efa manomboka mahazo laka eto Madagasikara ny […]

Unesco – Arisivam-pirenena: « Tsy misy afaka hiroso, tsy manana fototra iaingana », hoy Ravelojaona Manda

9 jona, Andro iraisam-pirenena ho an’ny arisiva. Ankoatra ny fampitana hafatra avy any amin’ny Unesco foibe, anisan’ny nanamarika io vanim-potoana io i Madagasikara. Tamin’ny alalan’ny velakevitra narahina fifanakalozana no nanatanterahina izany. Ravelojaona Manda, Sekretera jeneralin’ny Vaomieram-pirenena malagasy momba ny Unesco (SG. Com/Nat.Unesco) Iray amin’ireo nanasongadina ny maha sarobidy ny arisiva […]

Depiote Ratsiraka Roland : “Ilaina ny fanitsiana ny tetibola”

“Mihazakazaka ny go­ver­ne­manta fa ho avy ny fifidianana ka manao fanambarana be dia be. Eo ny fananganana ny faritra faha-24 Ambato­soa. Tsy azo atao petatoko ny zava-drehetra. Aiza ny vola hanatanterahana an’izany? Nefa tsy atao ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana”, hoy ny de­piote, Ratsi­raka Roland. Tao anatin’ny 60 taona, tsy […]