Mois : juin 2023

Tsy mifidy intsony… : roa lahy tratra nangalatra cageot feno zava-pisotro

Noraisim-potsiny! Hatolo­tra ny fampanoavana ireo jiolahy roa tratra teo am-pangalarana cageot feno zava-pisotro sy elobe tamina toeram-pivarotana iray eny Betongo­lo, omaly. Nahasambotra azy ireo ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahatelo (CSP3), Antaninandro. Naharay fitarainana avy amina mpivarotra iray eny Betongolo izy ireo, omaly, milaza ny fisiana lehilahy roa nangalatra […]

Manjakandriana : mpamaky trano telo lahy voasambotra

Tsy mety fa ! Tratra ireo mpamaky trano telo lahy tao amin’ny fokontany Nangane­hana, kaominina ambanivohitra Sambaina, distrika Manja­kandriana, omaly maraina. Ta­min’ny 2 ora, nitondra fi­taovam-piadiana mahery vai­ka ka nandroba tsenakely iray izy telo lahy. Voaroba ny entana toy ny paty, bisiky, hatramin’ny voamaina. Nirifatra nandositra avy hatrany ireto farany rehefa […]

Nirefodrefotra ny basy : Polisy iray naratra, jiolahy rotidrotiky ny bala

Nihorohoro vao maraina ny mponina teny Anosibe Mandrangobato sy ny manodidina, ny sabotsy teo. Nifam­pitifitra ny polisy sy ny jiolahy ka maty voatifitra ity farany. Jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana izy io. Toy ny fanaony mahazatra, nanatanteraka fisafoana tany anaty elakela-tranon’ Ano­sibe ny polisy manao fanamiana sivily. Nandritra izany, nifanehatra […]

Fonjan’Antanimora : misy gadra nefa tsy voasoratra anaty kahie

Nidina tampoka teny amin’ny fonjan’Antanimora ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, afakomaly. Hita tamin’izany ny lesoka eo amin’ny fanoratana ny gadra anatin’ny kahie mirakitra ny anaran’izy ireo. Tonga nanamarina tampoka ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny fonjan’Antanimora ny mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, minisitry ny Fi­tsarana, Randriamanan­tena­soa Landy Mbolatiana. Nia­raka tamin’ny delegasiona avy […]