Mois : juin 2023

AREMA : notsarovana ny Accord de coopération

Notsarovan’ny Arema teny Faravohitra, omaly, ny 4 jona 1973. Nanaovana sonia ny Accord de coopération na ilay hoe fiaraha-miasa vaovao, nifanaovan’ny fitondrana ma­lagasy sy ny fanjakana frantsay. Nitarika izany ny sekretera nasionaly Ratsiraka Annick sy ireo avy amin’ny Comité directeur ary ny rantsamangaikan’ny antoko. Niadiana hevitra tamin’izany ny momba ny […]

KMF/Cnoe : “Ilaina hahitsy sy hatsaraina ny lalàm-pifidianana”

Tsy mbola sasatra ny mampahatsiahy ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, manoloana ny raharaham-pirenena. Notakin’izy ireo ny hijerena ny lalàna, mialoha ny fifidianana. Rehefa vita ny zotram-pifidianana iray, misy ny torolalana miainga amin’ny fanaraha-maso na­taon’ireo mpanara-maso eto an-toerana na avy any ivelany. Entina hanatsarana ny lalàna izany. “Nahatonga ny KMF/ Cnoe nilaza […]

Filoha Andry Rajoelina tany Analanjirofo : “Fanamby ny mamelona sy mampisakafo ny vahoaka”

Nitsidika ny tany Maro­an­tsetra sy Mananara Ava­ra­tra ny filoha Andry Rajoeli­na, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny nihaonany voalohany ny tao Anjahana. Maherin’ny 91% ny vato azo­ny manerana ny distri­kan’i Maroantsetra tamin’ny fifidianana. Nisaorany ny vahoaka ary nambarany fa anisan’ny fanamby ny hahatrarana ny fahaleovantena amin’ny sakafo. “Mahavita mamelona sy manome […]

Valalabemandry… valaka be miandry

Tsy misy jamba toy izay minia mikimpy, hono. Tsy mahita mbamin’ny mason-tsainy? Amin’izao famaramparanan’ny mpitondra ny fe-potoam-piasany izao, manaiky sy miaiky ny maro fa misy ny zava-bita eo amin’ny fanorenana fotodrafi­trasa: sekoly manara-penitra, hopitaly, tsena… Tsy misy distrika hadino. Mba manao ahoana kosa ny vahoaka amin’ izany? Ny fomba fiaina […]