Nihaona teny Ivandry ny filoha lefitry ny ceni sy ny masoivohon’ny japoney ary ny solontena monina ao amin’ny masoivoho iraisam-pirenena japoney (jica), ny zoma lasa teo. Nahazo fiofanana momba ny fitantanana ny fifidianana, mandritra ny iray volana any Japon i Madagasikara. Ny filoha lefitry ny ceni, Razafimamonjy Laza Rabary no […]
Mois : juin 2023
TIM tany Mahajanga : nitaky fahalalahana
Nampahatsiahy ireo mpitandro filaminana ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc tao Mahajanga, fa mety ho nahazo fampanantenana tambiny sy galona ireo Emmo/Reg. Nanteriny anefa fa manana ankohonana sy fianakaviana mijaly sy sahirana koa izy ireo ka tokony handinika. “Aza atakalo tombontsoa kely tahaka izany ny fiainan’ny firenena sy ny fahafahana. […]
Toe-draharaham-pirenena : manahy korontana ny UNND
“Ny zava-misy eo amin’ny sehatra politika, ny fiainana sosialin’ny vahoaka, ny tsy fisian’ny fahatokisana intsony ao amin’ny vahoaka sy ireo andrimpanjakana sy ny sampandraharaham-panjakana misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana… Indray andro any, atahorana sao hipoaka ireo toe-javatra ireo mitambatra”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko UNDD, i […]
Depiote Siteny : matahotra antsika ny fitondrana
Nahitsy ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny tany Nosy Be, tamin’ny Mihava Tour tany an-toerana, ny sabotsy teo. “Matahotra antsika ny fitondrana matoa tsy mbola sahy mamoaka ny datim-pifidianana hatramin’izao”, hoy izy. Nanteriny hatrany fa ilaina ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana, manoloana ny vidin’ny Ylang ylang any an-toerana. Hamidy 500 Ar ny […]
Otrikafo: “Tsy antoko folo no hanome lesona eto”
“Efa misy fanerena ankolaka sahady izany hizorantsika mankany amin’ny fifidianana. Na hanekentsika ny fepetra rehetra hizorana mankany amin’ny fifidianana”, hoy ny filohan’ny antoko Otrikafo, Elia Rabevahiny, momba ny sata fitsipi-pitondran-tena namorian’ny FES miaraka amin’ny Vondrona eoropeanina ny antoko politika folo teny Ankadifotsy, ny herinandro teo. Fifampiresahana aloha no tokony hatao […]




