Mois : juin 2023

Kitra – Can 2022: tsy anaty lisitra i Rayan sy Lapoussin ary Amada

Nivoaka omaly, ny lisitry ny Barea de Madagascar, hiatrika ny fihaonana amin’i Ghana, amin’ity fifanintsanana hanaovana ny “Can Côte d’Ivoire 2023” ity. Lalao hotanterahina, ny 18 jona ho avy izao, etsy Mahamasina. Miisa 27 mirahalahy ireo mpilalao nan­tsoina handrafitra ny Barea de Madagascar, hiatrika ny fihaonana amin’i Ghana, ny 18 […]

Fampiofanana mpitsara : nasiana taranja «Droit de l’environnement»

Notanterahina omaly, teny Ankorondrano, ny fampahafantarana ny taranja «Droit de l’environnement», eo anivon’ ny ivon-toerana, fampianarana ho mpitsara. Fandaharam-pianarana vaovao, natao ho an’ ireo mpianatra. Araka ny fanazavana voaray, misy lafin-javatra telo izany, anisan’ireny ny ady amin’ny kolikoly, ny fa­noherana ny famotsiam-bola, ary ny ady amin’ny fa­non­dranana ny biby sy […]

FAHA-60 TAONA Fimpima : nankalazaina tany Eoropa

Notontosaina tany Eoropa nandritra ny iray volana sy tapany ny fankalazana ny faha-60 taona ny Fikam­banan’ny mpikabary malagasy (Fimpima). Toerana dimy no nanatanterahana izany, Frantsa, Benelux, Norvezy, Alemana ary Soisa. Nisy hatrany ny fampitana fanilo, ny famoahana mpianatra ka­bary, ny fandraisana mpikambana, ny fanasalorana lamba ary ny seho kanto hanandratana […]

Raphaël Jakoba : laharam-pahamehana ny fisarihana ny mpampiasa vola

Manampahaizana iraisam-pirenena mikasika ny lalàna i Raphaël Jacoba. Anisan’ny nandrafitra ny lalàna ho an’ny fampiasam-bola aty Mada­ga­sikara, ny mifehy ny fifanakalozam-bola, ny faritra toekarena manokana (ZES), sns. Manodidina ny 1,5 miliara dolara ny fampiasam-bola ilaina eto amintsika, araka ny antontan’isa navoakan’ny Fi­ombonan’ny mpahay toekarena eto Madagasikara (Crem). Ho an’i Raphaël […]

Fihariana : mbola ambany ny fanjifana ronono

Anisan’ny sakafo mitondra otrikaina maro isan-karazany ny ronono. Mbola ambany anefa ny tahan’ny fanjifana izany eto Madagasikara. “Manodidina ny 16 litatra isan’olona, isan-taona izany, raha 40 litatra isan-taona, isan’ olona ho an’i Afrika ary 200 litatra isan’olona, isan-taona ny any Eoropa”, hoy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Nankalazaina ny […]