Miteraka fimenomenonan’ny olona ny delestazy lavareny ataon’ny Jirama. Simba ny asa rehetra mila herinaratra, indrindra ny fidiram-bolan’ny mpanjifa. Ora vitsy anatin’ny andro iray sisa no mahazo herinaratra ny mpanjifa. Tsy nisy kosa ny fahatapahan’ny herinaratra nandritra ny faran’ny herinandro sy ny fetin’ny Pantekoty lasa teo. Ankehitriny, miverina ny delestazy, mihamafy […]
Mois : juin 2023
CCSM : mpiofana 36 notolorana maripahaizana
Tontosa omaly, teny Ampahibe, ny famoahana ireo manamboninahitra mpiofana ho amin’ny fanampim-pandalinana ho fikajiana ny fahasalaman’ireo miaramila (CCSM), andiany fahefatra. Nanotrona izany ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Ramasy Razafindratovo Heritiana. Mitontaly 36 mianadahy ireo notolorana maripahaizana . “Voaporofo ary voatazon’ny DCSSM ny andraikitra fanomanana olona ho mpitsabo mpiara-miasa […]
Fikaonandoha fampanan’asa : ampiana hitia ny asa safidiany aorian’ny fianarany ireo tanora
Nikarakara hetsika fikaonandoha momba ny asa (Forum de l’orientation et de l’employabilité), andiany fahafito, ny fandaharanasa Sesame. Atao eny amin’ny foiben’izy ireo, etsy Ambatoroka izany ka mitohy anio. Tanora maherin’ny 5000 no andrasana hanatrika izany, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. Tanjona ny hanampiana ireo tanora hitady sy hisafidy ary hanana traikefa […]
“World Cup 3×3” – Coach Deda: nitaky tanjaka be ny lalao rehetra
Nifarana hatreo ny lalan’ny Ankoay, tao anatin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety 3×3, tany Vienne Autriche. Laharana fahefatra i Madagasikara tao amin’ny vondrona nisy azy, rehefa naharesy an’i Frantsa, 21 no ho 20. Mitondra ny fomba fjeriny ny Mpanazatra Randrianarivelo Jean de Dieu (Deda). *Gazety Taratra : Nanao ahoana ny […]
Boky «Ny diako» : mivoy ny zon’ny olona sembana i Fela
Nanoratra boky mitondra ny lohateny hoe “Débout” na “Ny diako”, Razafinjato Fela, filoha mpanorina ny fikambanana sembana mijoro. Navoakany sy nasehony tamin’ny mpanao gazety tetsy Antanimena, omaly, izany. Tanjona ny hivoizana ny zon’ny olona manana fahasembanana sy hampahafantarana ny olona ny fiainan’izy ireo, ny antony nanoratana ny boky, raha ny […]




