Nanaovana tombana ny fanitarana ny fandraisana an-tanana ny olona mararin’ny tazomoka any amin’ny distrikan’i Farafangana, faritra Atsimo Atsinanana, nataon’ireo mpanentana ara-pahasalamana. Tanjona ny hampihenana ny tahan’ny fahafatesana vokatr’ity aretina ity. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasam-pirenena momba ny ady amin’ny tazomoka (PNLP) ny hanitatra amin’ny faritra maro ny ady amin’ny tazomoka. Manohana […]
Mois : juin 2023
CUA : “Elève encadreur” 7, naseho teo ambany faneva
Notanterahina omaly, tetsy amin’ny tobin’ny polisy Monisipaly Anosipatrana, ny lanonana famoahana sy fanolorana galona ireo polisy Monisipaly eto anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tonga nanatrika izany teny an-toerana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra. 7 mirahalahy ireo élève encadreur , andiany faharoa, naseho teo ambany faneva, nandritra izany. Niofana teny amin’ny sekolim-pirenena ambony […]
Tetikasa Go Teach : tanora 150 nisitraka ny fiofanana momba ny fandraharahana
Natao omaly, tetsy Ivandry, ny famaranana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa fanampiana ny tanora amin’ny fandraharahana, izay tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Go Teach. Tetikasa iarahan’ny SOS Village d’enfant sy ny orinasa DHL ny fampiofanana ireo tanora. Tanjona ny hampahaleotena arak’asa ny tanora sy hanamorana ny fidirany amin’ny sehatry ny asa, […]
Fisotroan-dronono : mamaha ny olana ny minisitera
Nitafa tamin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Assoumacou Elia Béatrice ireo mpiasan’ny oniversite efa misotro ronono nefa tsy misitraka ny fisotroan-dronono, nanomboka ny taona 2019. Antony nitarika ny olana ny tsy fandoavana ara-potoana ny latsakemboka CRCM (caisse de retraites civiles et militaires) teo anivon’ny oniversite maromaro. […]
Adina ara-panatanjahantena: tsy azon’ny mpanaraka idirana ny foibem-panadinana bakalorea
Efa nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny fanadinana bakalorea, eto Antananarivo. Misy ny lamina vaovao, araka ny naoty avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony. Naparitaka amin’ny mpiandraikitra ny foibem-panadinana izany fa tsy azon’olon-kafa ivelan’ny mpiadina sy ny mpikarakara rehetra idirana ny toeram-panadinana manomboka izao. Toy ny taranja […]




