Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, ny 31 mey teo, fa hatonta any Turquie ny vola madinika 50 Ar hatao volamena. Voalaza fa “famoaham-bola vonjimaika ihany ity fepetra ity, fa haverina eto Madagasikara ny volamena rehefa vita ny fanontana azy », izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-50 taona ny Banky […]
Mois : juin 2023
Tontolo ambanivohitra: hampiasaina amin’ny fambolena ny teknolojia niomerika
Mbola olana eny ifotony ny fahazoan-kevitra sy torolalana amin’ny sehatry ny famokarana isan-tsokajiny eny ambanivohitra, satria tsy ampy ny olona mpanapariaka azy any amin’ny tantsaha. Anisan’ny vahaolana ny fampiasana ny teknolojia niomerika. Fanoitra ho an’ny fampandrasoana ny sehatry ny famokarana eto amintsika ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra, na ny […]
Fampianarana : ho avy ny fitaovana ho an’ny sekoly
Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fandraisan’ny fanjakana malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany mikasika ny fampidirana ireo fitaovam-pampianarana hozaraina ho an’ireo sekoly any amin’ny faritra Androy. Fanomezana avy amin’ny «Fondation Global Communities», tafiditra indrindra ao anatin’ny tetikasa «Mianatra» […]
Volana jona : omena sehatra haneho hevitra ny ankizy
“Antoky ny hoavy mamiratry ny ankizy ny anio”. Io no lohahevitra ho fanamarihana ny iray volan’ny ankizy amin’ity volana jona ity. Nitondra teny fiarahabana ho an’ny ankizy rehetra manerana ny Nosy ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, Soafilira Princia. Fotoana hampahafantarana ny zon’ny […]
Sampana Fanantenana -FPVM : « Varavarana hidiran’ny tanora amin’ny zava-mahadomelina ny sigara »
Nisafidy ny dihy mirindra sy ny tantara an-kira ny tanora mivondrona ao amin’ny sampana Fanantenana, eo anivon’ny fiangonana FPVM Antaninanandrano, hanairana sy hanentanana ny tanora sy ny daholobe momba ny voka-dratsin’ny fifohana sigara. Teny Analakely izy ireo no nanao ny hetsika, ny alarobia lasa teo, izay Andro iraisam-pirenena natokana tsy […]




