Mois : juin 2023

Visa sandoka: jiolahy iray tratran’ny polisy

Naiditra am-ponja vonjimaika ity jiolahy mpisoloky ity. Voasambotry ny polisy noho ny fanamboarana visa sy pasipaoro sandoka tany Fianarantsoa, ny 21 jona 2023 lasa teo, izy. Ny 18 mey 2023, nisy vehivavy iray nosamborin’ny polisy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato rehefa nikasa ho any France. Nahatrarana taratasy “visa” sy pasipaoro sandoka […]

Hoavin’ny ankizy malagasy: hamafisina ny ady amin’ny zava-mahadomelina

Nikarakara adihevitra ho an’ny manampahaizana sy tomponandraikitra ambony maro, ny teo anivon’ny Sos Villages d’enfants, afakomaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy. Nodinihina nandritra izany ny fomba hatao mikasika ny fihanaky ny zava-mahadomelina eto amin’ny firenena. Tanjona ny hijerena paikady entina hisorohana izany eo am-pijerena ny hoavin’ny ankizy rahampitso. Mitsindrona zava-mahadomelina sahady […]

CEPE 2023: hivoaka mialoha ny 26 jona ny valim-panadinana

“Hoezahina hivoaka mialoha ny fetin’ny fahaleovantena ny valim-panadinana CEPE manerana ny Nosy”, hoy ny tale jeneralin’ny toeram-pampianarana eto Madagasikara, Ranosy Eliane, omaly, teny amin’ny LMA Ampefiloha. Henjana ny asa amin’ny fampidirana ny naotin’ny mpiadina 515 081 amin’ny ordinatera izay nanomboka omaly, teny anivon’ny Cisco 114 manerana ny Nosy. Aorian’ny fampidirana ny […]