Nametraka fandaminana manokana ny tanànan’Antananarivo ho an’ny fifamoivoizana hampirindra ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena. Maromaro ny lalana ho tapaka mandritra izany. Nofoanana anaty fotoana voafetra ireo toeram-piantsonana maromaro amin’ny alatsinainy 26 jona izao manomboka amin’ny 6 ora maraina mandra-pahatapitry ny lanonana eny Mahamasina. Foana ny fiantsonana eo amin’ny lalana Rajoelina, […]
Mois : juin 2023
Tetikasa Sandratra: reny marefo 900 hofanina
Tontosa omaly tetsy Ampefiloha ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fiofanana arak’asa ary ny Aide et action. Antony, ny ahafahana manatanteraka ny tetikasa “Sandratra”. Hiompana amin’ny fampiofanana ireo vehivavy mananon-tena, voailika eny anivon’ny fiarahamonina, tsy an’asa ary tsy nianatra ny tetikasa. Tanjona […]
Tily eto Madagasikara: tanora 105 niofana momba ny landy sy ny rafia
Nifarimbona nanofana tanora 105 amin’ny fandraharahana mifototra amin’ny asa tanana ny minisiteran’ny Asa tanana sy ny asa ary ny fikambanana skoto Tily eto Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo, tany amin’ny tanànan’Amboalefoka, distrikan’i Miarinarivo. Nifototra tamin’ny sehatra fanodinana ny landy ny fanofanana, izay miara-dalana amin’ny fiarovana ny ala tapia efa mitady […]
MCB sy ny Sunref: famatsiam-bola ny tetikasa maitso
Natao, omaly, ny atrikasa mifantoka amin’ny lohahevitra hoe « Sunref, fitaovana iray hanafainganana ny tetikasanao sy ahitana fahombiazana ». Nandray anjara tao ny avy amin’ny banky MCB sy ny teknisiana ao amin’ny Sunref (Famatsiam-bola ny fampiasana ny angovo maharitra sy ny harena voajanahary). Notombanana ny fandrosoan’ny asa manerana ny Nosy, izay tena […]
QMM sy ny fanjakana: nofoanana ny trosan’ny fanjakana 77,2 tapitrisa dolara
Tapitra ny febroary 2023 teo ny fe-potoana 25 taona, nifanarahan’ny fanjakana malagasy sy ny QMM. Naverina nodinihina ny fifanarahana ka notsinjovina ny hahazoan’ny firenena malagasy tombontsoa. Nitondra fanazavana ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany (MMRS), Rakotomalala Herinandrainy, omaly, mikasika ny fifanarahana vaovao nataon’ny fanjakana malagasy sy ny orinasa QMM. Nisy […]




