Mois : juin 2023

Harena voajanahary: sokatra 59 tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina

Sarona teny Ivato ireo sokatra nafenina tao anaty sakaosy saika haondrana antsokosoko any ivelany. Velon’aina ireto harena voajanahary mampiavaka an’i Madagasikara ireto ary napetraka eny anivon’ny Turtle survival alliance Madagasikara. Tratran’ny  tomponandraikitra ao amin’ny fadintseranana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny talatra teo, ireo sokatra 59 saika haondrana antsokosoko. Mbola velon’aina […]

Fanamboarana pasipaoro: raisin’ny fanjakana ny hetra

Horaisin’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany amin’ireo fitaovana ilaina amin’ny fanamboarana pasipaoro tsotra, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo. Tsiahivina fa niato nandritra ny iray volana sy tapany ny fanamboarana pasipaora malagasy. Nivaha ny olana taorian’ny nahatongavan’ireo fitaovana […]

“Antsam-piderana ho an’ny firenena”: mpanakanto ara-pilazantsara maro no hanafana ny seho

Hotanterahina ny alahady 25 jona 2023, ao amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny « Antsam-piderana ho an’ny firenena ». Fampisehoana goavana karakarain’ny fiadidiana ny Repoblika, iarahana amin’ny mpanakanto sy antoko mpihira ara-pilazantsara miisa 18. Hetsika ara-javakanto sy hitondrana am-bavaka ny firenena, mialoha ny hankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena izao hetsika […]

Faribolana Sandratra: raikitra ny « Vahim-bazo »

Hiavaka noho ny mahazatra hatramin’izay ity antsam-paribolana ity. Hotanterahina, rahampitso 24 jona, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely ny « Vahim-bazo ». Hetsika iray hitambarana fankalazana telo sosona : « Iray volana hanandratana ny teny malagasy » sy ny « Iray volan’ny ankizy » ary ny « Fiverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena ». Tsy hiala lavitra ireo […]