Ho fanatanterahana ny fampanantenana nataon’ny filohan’ny Repoblika dia nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny firosoana amin’ny fanombohana ny asa fanamboarana ny Anjerimanontolon’i Maroantsetra. Ahitana trano lehibe hisy efitra malalaka fivoriana, toeram-pitsaboana, efitra ho an’ny mpampianatra sy birao isan-tsokajiny izany.
Manentana ny daholobe hitondra ny ankizy latsaky ny 15 taona ao amin’ny sampana fizahana maso, ao amin’ny HJRA, ny alatsinainy ho avy izao amin’ny 8 ora maraina. Hisy fizahana maso maimaimpoana iarahana amin’ny “Tetikasa Mahita”, izay vatsian’ny CBM Global Disability Inclusion-Madagascar, amin’io.
Manomana fivoriana siantifika andiany fahavalo eny amin’ny Akademia malagasy, Tsimbazaza, ny Société Malgache de psychiatrie (SOMAP), ny 14 jolay ho avy izao. Ny fiankinan-doha sy ny vokany ka tafiditra ao ny zava-mahadomelina sy ny zavatra hafa no foto-kevitra hifampizarana amin’izany.
Nanome torolalana ho an’ireo mpianatra kilasy famaranana avy ao Antsirabe, hahaizan’ireo tanora misafidy ny lalam-piofanana tiany hatao rehefa mahazo ny mari-pahaizana bakalorea, ny oniversite Ecole Supérieure de Management (ESUM). Tonga mavitrika nanatrika izany ireo tanora mpianatra.




