Samy mahazo ny anjara fampahafantarana ireo poeta. Nosafidiana hasongadina anatin’ny “Volana iray, mpanoratra iray”, amin’ity jolay ity i Natioramena Narda. Tanora milomano anatin’ny tontolon’ny haisoratra sy ny literatiora, izay inoana fa ho fantatry ny maro bebe kokoa. Hisy ny fihaonana mivantana sy velakevitra iarahana aminy, ankoatra ny fampahafantarana ao amin’ny pejy “Facebook”-n’ny minisitera.
Mitohy hatrany ny “Revy Lôlô sy ny tariny”. Mbola eo i Benny sy i Bebey manohy izany, ho an’ireo mpankafy eto an-tanindrazana. Manome fotoana ireo mpankafy eny amin’ny Le Havre Café, Ivato, indray izy ireo anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Toy ny mahazatra, hanampy azy mirahalahy eo amin’ny gitara sy feo i Nini Kolibera.
Toerana iray nanamarika ny tantaran’ny Iraimbilanja, ny Piment Café Behoririka. Anisan’ireo tarika zokiny indrindra, kanefa be mpanaraka indrindra hatramin’izay nisian’ity toeram-pialamboly ity mantsy izy ireo. Hiverina indray, anio, manomboka amin’ny
8 ora alina ry Batata sy ny tariny. Toy ny fanaon-dry zareo, hitety an-kira ireo vanim-potoana maro nolalovany ny Iraimbilanja.
Tsy dia hita an-tsehatra matetika izy… Manome amin’ny fo hatrany kosa i Arison Vonjy, rehefa misy ny fotoana ihaonany amin’ny mpankafy. Anjarany indray ny manafana ny sehatry ny La Teinturerie Ampasanimalo, rahampitso manomboka amin’ny 8 ora alina. Toy ny fanaon’ny rehetra izay mandalo ao, mikisaka kely eny amin’ny Le Garage Antsahavola ny “After live jam Session”, amin’ny 10 ora alina.




