TSELATRA

Nodimandry teny an-dalana hihazo ny tanindrazany ilay renim-pianakaviana may niaraka tamin’ny vadiny teo am-pandriana tao Andranomadio Toamasina. Efa namoy ny ainy afakomaly ny vadiny noho ny fahamaizana diso tafahoatra. Nialana nenina kosa ity vadiny. Tsy vita tao amin’ny Hopitalibe ka nentina hotsaboina amin’ny mpanao ody may ao Ampasimahatera Vohipeno. Namoy ny ainy teny an-dalana ilay ramatoa.

Lehilahy iray maty, naratra ny vehivavy nentiny moto tao Ankirihiry Toamasina afakomaly. Naratra mafy vokatry ny dona nahazo azy ilay raim-pianakaviana. Tsy tana ny ainy . Nentina notsaboina eto an-dRenivohitra ho tarafina ilay vehivavy niaraka taminy.

Navoakan’ny mpiambina ny mpiadina iray nahatrarana finday nisy valim-panadinana BEPC tao Ambilobe, afakomaly. Nanao fihetsika hafahafaha, nosavain’ny tomponandraikitra tao anatin’ny efitrano fianarana io mpiadina io. Tratra teny aminy ny finday iray.

Tapa-doha ilay raim-pianakaviana. Notafihan’ny jiolahy nitondra famaky ny mpivady tao Anaviavy, fokontany Ambararata, kaominina Soamatasy Ihosy, ny 4 jolay teo. Nesorin’ireo olon-dratsy teo amin’ny tendany ny lohan’ilay raim-pianakaviana. Manara-dia ny fokonolona sy ny zandary.

Partager sur: