VAOVAO TAMBATRA

Mahatratra hatramin’ny 3.769t ny vokatra jono azon’ireo orinasa telo lehibe mampiasa sambo mpanjono 28. Hampiditra tamberim-bidy 1.809.700.000Ar ho an’ny firenena malagasy sy hamorona asa hatrany amin’ny 261 any anaty sambo izany. Nohavaozina ny fifanarahana jono amin’ireo sambo mpanjono ara-indostrialy aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara.

Tapaka ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny minisiteran’ny Angovo sy ilay orinasa Mad’Ecole SARL, mpamokatra herinaratra ao amin’ny fokontany Joffre ville, Tanambao Antsakoamasina ary Morafeno, distrika Antsiranana II. Nijanona ny famokarana ataon’ity orinasa ity ka nampitaraina ireo mponina. Efa nampitandremana mba hamerina ny famatsiana ity orinasa ity saingy tsy nataony.

Hiovaova hanaraka ny an’ny tsena iraisam-pirenena ny vidin-tsolika, manomboka amin’ny janoary 2024. Hamafisina ny Haratonaina, fanampiana sosialy ny vahoaka manoloana izany. Laharam-pahamehana koa ny hampihenana ho kely indrindra ny fanampiana ara-bola omen’ny fanjakana ny Jirama

Horaisin’ny fanjakana an-tanana ny hetra IPVI hividianana ny tany any Iarinarivo, distrika Ambohidratrimo, mirefy 124 ara. Hametrahana ny fotaka alaina a min’ny fanadiovana ny lakandrano Andriantany sy ny C3 eto an-dRenivohitra ity toerana ity, ao anatin’ny tetikasa Produir.

Partager sur: