Rajaonarimampianina Hery: ho kandidà filohan’ny Repoblika raha feno ny fepetra

Vonona ny hifampitana amin’ny kandidà hafa ho filohan’ny Repoblika, ny mpanorina ny antoko HVM. “Nahavita be isika”, hoy Rajaonarimampianina Hery.

Nihaona tamin’ireo mpo­mba azy teny an-tanindrazany, eny Sabotsy Namehana, ny sabotsy teo, ny filoha teo aloha, Rajaonari­mampianina Hery. Namba­rany tamin’izany ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena.
“Misy antony matoa miverina an-tanindrazana izahay. Tsy matahotra satria tsy resin’ izao fitondrana izao raha atao lisitra ny zava-bita…”, hoy izy. Nambarany anefa fa tsy mbola fotoana ilazana ny haha kandidà izao na tsia noho ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana sy ny fanomanana ny fifidianana. Hanao fanambarana eo ihany izy ireo rehefa feno ny fepetra sy hahatongavana amin’ny fifidianana madio sy mangaraharaha ary eken’ny rehetra. “Tsy mbola tomombana io matoa mbola kely ny vola nomen’ny iraisam-pirenena”, hoy izy.

Vonona ny hifampitana
Nohamafisiny fa vonona ny hifampitana ary tsy menatra amin’ny efa nataony ny mpanorina ny HVM. “Tombo­ny ny efa nitondrana firenena ary nahavita be lavitra mihoatra an’ireo na notsipahan’
ny sasany aza ka ilazany fa izy ireo no nanao izany… Nametraka lovabe isika “, hoy izy.
Nitondra ny heviny koa ny momba ilay resabe amin’izao fotoana izao. Ny maha vazaha ny filohan’ny Repoblika no olana fa tsy ny maha Ma­la­gasy azy. Aoka tsy havadika ny resaka, araka ny nambarany. “Afaka manatanteraka ny asa maha filohan’i Mada­ga­si­kara azy ve ny maha vazaha azy ?”, hoy ny fanontaniany. Nanafatrafatra ny tenany mba hahay hijery ireny olona manana fifamatorana atsy sy aroa ireny na koa ho voafatotry ny any ivelany.

Synèse R.

Partager sur: